Filohan’ny Repoblika – Hafa ihany ny Filoha Ravalomanana tamin’ireo 6 efa nitondra

Andry Tsiavalona

Sarotra ho an’izao manana ny fahefana amin’izao fotoana izao ny manao jeritodika, ka misintona izay làlantsaina hitantanana ny Firenena avy amin’ny toe-draharaha niainana teto nandritra izay enimpolo taona mahery kely namerenan’ny mpanjanaka ny « fahaleovantena » izay. Tena mihevitra ny hanao ny tsy nataon’ny mpitondra nandritra ny enimpolo taona tokoa ny Mapar. Tsara hampatsiahivina anefa fa samy nanana ny hevitra (idéologie) nitantanana ny Firenena ny filoha nifandimby tao anatin’ny Repoblika efatra. Ny Repoblika no efatra, fa ny filoha kosa dia nisy enina ary nisy roa niverina in-droa teo amin’ny fitantanana tao anatin’ny enimpolo roa amby taona : Ratsiraka Didier Ignace tamin’ny Repoblika II sy Repoblika III andiany faharoa ary Rajoelina Andry Nirina tamin’ny tetezamita sy amin’izao Repoblika IV andiany faharoa izao.

Samy nanana ny vinany voarakitra ao anaty boky ireo Filoha: « Livre Bleu » ny an’i Tsiranana Philibert, ka « Politikan’ny Kibo » no nisongadina ary azo lazaina fa ambony dia ambony ny fahefa-mividin’ny Malagasy ary niaina tao anatin’ny fahalemana ny mponina na an-tanàn-dehibe na tany ambanivohitra. Politika « néo-colonialiste » anefa no nisy ary nampiasa herim-pamoretana ny mpitondra rehefa nahatsapa fa nihozongozona ny fitondrany. Nanoratra ny « Boky Mena » i Ratsiraka Didier Ignace, izay nanoritany ny làlan-kizorana nankany amin’ny amin’ny “Revolisiona Sosialista”. Nanantena ny fiainana tao amin’izany paradisa sosialista izany tokoa ny Malagasy kanefa diso fanantenana, satria tsy paradisa no niainany fa disadisa teo amin’ny sehatra rehetra. Tamin’ny fotoanan’ny revolisiona sosialista ihany koa no nisy ny fiampangana manamboninahitra ambony teto amin’ny firenena ho nanana fikasana namono ny Amiraly Ratsiraka Didier. Tao anatin’ny heriny sady nanana fitaovam-piadiana mahery vaika ny Resep, mpiambina ny Filoham-pirenena. Ny tafika telo tonta: an-tanety, ana-habakabaka, an-dranomasina dia nanana fitaovana nanaraka ny toetrandro tokoa. Nanasongadina ny fiondran’ny Amiraly ihany koa ny nananganany ireo Oniversite tany amin’ny Renivohi-paritany dimy. Anisan’ny nampihozongozona ny fitondran-dRatsiraka Didier ny nanaovany ny Procops ho toy ny fananan’ny antokony. Tsara ho fantatra ihany koa fa nivaky roa ny antoko Arema, nisy ny tao Ambohitsorohitra sy tao Isoraka, ka anisan’ny nampalemy ny antoko amin’ny ankapobeny ny toe-javatra toy izany. Aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka hoy ny fahendrena Malagasy, ka tsy nahatohitra ny onjam-bahoaka niraondraona ny Repoblika II ka nirodana ny Mandan’i Jeriko.

Tsy mba nanana vina voarakitra an-tsoratra kosa ny Filohan’ny Repoblika III andiany voalohany, Zafy Albert, satria variana nitety an’i Madagasikara izy, angamba nijery ifotony ny olan’ny vahoaka vao nikasa nanoratra kanefa tara loatra izany, ka tratry ny “empêchement” ka voatery niala tsy fidiny. Nisongadina tamin’ny nitantanany ny Firenena kosa, na izany aza, dia nanjaka tokoa ny demokrasia satria nalalaka ny fanehoan-kevitra ary tsy nisy hirika nidiran’ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra mihitsy. Izay no antony nanomezana azy ny anarana ho “Rain’ny Demokrasia”. Tafaverina teo amin’ny fitondrana indray ny Amiraly Ratsiraka Didier Ignace ka lasa “humaniste écologique” ny filamatra. Tsy nampiova na inona na inona laotra izany fiovam-penitra sady tsy nisy vina vaorakitra an-tsoratra izany, ka tsy nitohy ny Repoblika III andiany faharoa.

Niditra ny Repoblika III andiany fahatelo notarihan-dRavalomanana Marc. Nanana ny vinany voarakitra tao amin’ny « MAP » izay azo lazaina ho marim-pototra sy nitombona tsara sady niainga tamin’ny zava-nisy niainan’ny Malagasy, sady nanolotra vahaolana sy ny fomba enti-miady hampahomby ny tetika. Niroborobo ny toekarena satria tafakatra fito isanjato mahery ny tahan’ny harinkarena faobe. Efa ho iray alina kilometatra ny làlana vita tara. Tsy nanana olana ireo orinasam-pirenena manerana ny Nosy. Nanana tahiry vola vahiny nanakaiky ny roa arivo miliara ariary ny Banky Foibe talohan’ny nanonganana azy teo amin’ny fitondrana. Tsy nampiasa ny andian-tafika mpiaro ny fiadidiana ny Repoblika, GP, izy na nisy aza ny “fihetsiketseham-bahoaka” an-dàlambe nentina nanongana azy.

Nanana vina, “Fisandratana 2030”, ny Filohan’ny Repoblika IV andiany voalohany, Rajaonarimampianina Hery. Nahavita fifanarahana maro niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany hananganana fotodrafitrasa maro izy. Vita ny sasany amin’izy ireny ary misy ny eo an-dàlam-panombohana. Niakatra ho dimy isan’jato mahery ny tahan’ny harinkarena faobe nandritra ny dimy taona nitondrany ny Firenena. Maro ny olana natrehin’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery, nisongadina tamin’izany ny hetsika nataon’ny depiote 73, nampiasa herim-pamoretana ihany izy kanefa niverin-dàlana haingana, ka nanova praiminisitra sy nametraka governemanta nisokatra tamin’ny antoko hafa.

Tafakatra eo amin’ny fitantanana ny Repoblika IV andiany faharoa Rajoelina Andry Nirina niaraka tamin’ny IEM nosoratany nandritra ny efatra taona, hono. Tsy mbola nisy nisongadina aloha hatramin’izao izay voasoratra ao amin’ity vina ity satria niova an-dàlana ny anarany ary rehefa mihaona amin’ny mponina maro any amin’ny tanàna iray izy dia “velirano” no mipatrapatraka. Mitokana ny fotodrafitrasa natomboky ny fitondrana teo aloha no tena hainy. Fanitsakitsahana ireo lalàna manankery rehetra misy eto amin’ny Firenena no maha tompondaka azy sy ny tandapany. Sakanana amin’ny fomba rehetra ny fanehoan-kevitra ary ampiasaina araka izay azo atao ny herim-pamoretana izay azo lazaina ho any sisa miaro azy hijanona eo amin’ny fitondrana. Niiba fito isan-jato ny harinkarena faobe rehefa telo taona teo amin’ny familiana izy. Potika daholo ny orinasam-pirenena ary manjaka tokana izy ka tsy misy intsony ny fisaraham-pahefana. Ireo azo lazaina fa nahavita be teto amin’ny Firenena aza hitan’ny be atidoha ihany ny nanongana azy teo amin’ny fitondrana, ka aleo manetry tena ihany satria “izay manetry tena no hasandratra, fa izay manandra-tena no hahetry.”