Faha- 20 taonan’ny antoko TIM – Mitohy ny fampirantiana sary ao amin’ny Magro Mahajanga

Niaina

Mitohy hatrany ny fampirantiana ny sary ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara, ao amin’ny Magro any Mahajanga renivohitry ny faritra Boeny. Na nisy aza ny fanakanana ny rehetra tsy hiditra tao tamin’ny herinandro teo, niverina nisokatra izany fampirantiana sary izany, noho ny faha-20 taona nijoroan’ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana.

Misokatra ho an’ny vahoakan’ i Mahajanga indray izany fampirantiana sary izany, nanomboka ny alakamisy 18 aogositra 2022 teo, ka hatramin’ny sabotsy 27 aogositra 2022. Amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro, sy amin’ny 3 ora hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva, no fotoana azo itsidihana izany hetsika ataon’ny antoko TIM ao Mahajangabe izany.