Lanto Rakotomanga sy Raholdina – Depiote mandika lalàna amin’ny fanalana sefo fokontany

Niaina

Mandika lalàna amin’ny fanalana sefo fokontany eto an-drenivohitra amin’izao fotoana ny depiote avy amin’ny IRD, mpiara-dia amin’ny fitondrana, Lanto Rakotomanga ao amin’ny Boriboritany faha-2, sy ny depiote Naivo Raholdina ao amin’ny Boriboritany faha-5. Tao amin’ny fokontany Manakambahiny, lasa ny solombavambahoaka indray, no mametraka sy manala NY SEFO FOKONTANY.

Ny solombavabahoaka Lanto Rakotomanaga, no manome baiko amin’ny fanalana sy fanesorana sefo fokontany. Nitondra fanazavana mikasika ny nanesorana azy ny sefo fokontany teo aloha ary nilaza fa tsy nahalala na inona na inona mahakasika izao fanesorana azy izao. Tonga teny an-toerana ny Tale kabinetran’ity Solombavambahoaka ity nametraka ny sefo fokontany vaovao. Ny depiote Naivo Raholdina ihany koa, no manala sy manendry sefo fokotany ao amin’ny Boriboritany faha-5, efa nihàran’izany ny tao Analamahitsy.

Fifidianana hoy ireo mponina no tokony hatao, fa tsy kitranoantrano, satria mpihavana avokoa ireo olona tian’ny mpitondra hapetraka eo amin’ny toerana. Raha mbola tsy misy ny fifidianana dia tokony ho ny solontenam-panjakana, no manendry ireo sefo fokontany fa tsy olom-boafidy: depiote.