Ambodin’Isotry, Anosibe sy ny manodidina – Olona miisa 58 voasambotry ny polisy tao anatin’ny 1 alina monja

Stefa

Nanao be midina tany anaty elakelantrano afak’omaly alina ny polisim-pirenena, tao ireo nanao fanamiana, nisy ihany koa ireo nanao akanjo sivily. Vokany, olona miisa 58 no voasambotr’izy ireo nandritra ny indray alina monja io tao Anosibe sy ny manodidina, ao amin’ ny Boriboritany faha-4. Tao ireo tratra nitondra antsy lava, tao ihany koa ireo nitondra entana avy nangalarina, niampy ireo tsy fanarahan-dalàna maro samihafa. Ho an’ireo kaomisaria eto an-drenivohitra dia maro tamin’izy ireo, no nanao fanamiana sivily nitsofoka elakelan-trano, ka noraisim-potsiny avokoa ireo mpanao ratsy, toy ireo mpanen-daka tratra tetsy Ambodin’Isotry tamin’ny 05 ora maraina, tovolahy avy nangalatra kodiarana fiara, andian-jatovo mitondra zava-maranitra ary lehilahy maromaro tratra nifoka rongony. Misy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny Polisim-pirenena toy izao, indrindra amin’ ireny faritra mafana ireny ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.