Collectif des Citoyens d’origine Malagasy Monde – Manamafy ny tokony hisian’ny fikaonandoham-pirenena

Nangonin’Isambilo

Nanao fanambarana mahakasika ny raharaham-pirenena eto an-tanindrazana indray, ireo teratany Malaagsy any ivelany mivondrona ao amin’ny Collectif des Citoyens d’origine Malagasy Monde.

”Araka ny efa notakiana sy nambaran’ny Collectif mikasika ny firosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena teo anivony sehatra iraisam-pirenena, dia manamafy izany indray ny ambasadaoro Eôrôpeanina izay hamita ny asany tsy ho ela. Marihina fa ny fanamafisana ny tany tan-dalàna manaja ny Zo fototra sy ireo ZO rehetra voarafitra ao anatin’ny demôkrasia, mba ho fampandrosoana maharitra tsy hisian’ny krizy no notakian’ny collectif des Citoyens d’origine Malagasy Monde hatrany, amin’ireo mpiara miombon’antoka amintsika. Tsy very an’efitra izany antso izany ary mbola mitohy hatrany. Ny tany tan-dalàna dia mampitovy ZO ny olona rehetra na mpitondra na ny ho entina. Ny fisiana mizana tsindrin’ila sy tsy maty manota noho ny kajikajy izay efa nanimba ny firenena dia porofo fa mbola tsy mipetraka tsara ny demôkrasia lazaina ambava. Betsaka ny fanodinana ny harem-pirenena, volam-bahoaka, fanampiana… kanefa toa misy sokajin’olona azo enjehina ary misy tsy azo enjehina.

Ny collectif des Citoyens d’origine Malagasy Monde dia miasa mangina, miasa miaraka amin’ireo sehatra rehetra, na ao an-toerana na aty ivelany, mba tsy hisian’ny tsy maty manota na amin’ny endriny inona na inona ary miaro ny demôkrasia sy ireo sotoavina, ao anatin’izay, tsy mifanipaka amin’ny sotoavina Malagasy sahala ny teny hierana,” hoy ny fanambaran’izy ireo.