Sendikan’ny APMF – Mitaky ny fanesorana ny tale jeneraly

Niaina

Manamafy ny fitakiany ny mpiasan’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluvial), anisan’izany ny tokony hanesorana ny tale jeneralin’ity sampan-draharaha misahana ny fifamoivoizana sy ny fitantanana ireo seranan-tsambo na an-dranomamy, na an-dranomasina ity.

Nambaran’ireo mpiasa, fa hiakatra amin’ny dingana ambony kokoa ny sendikan’ny mpiasan’ny APMF afaka 3 herinandro, raha tsy mijery ny olana sy manala ny tale jeneraly amperin’asa ny fanjakana, araka ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny fivorian’ny solontenan’ny sendika avy any amin’ny faritra omaly. Hanoratra taratasy mikasika ny raharaha AIS sy ny vola 25 tapitrisa dolara any amin’ny masoivoho Britanika ihany koa ny sendika, hahafantarana ny tena zava-misy marina.

Nanome tolo-kevitra, ho fanitsiana ny fomba fitantanana, izay efa tsy mifanaraka amin’ny zavatra iainana amin’izao ihany koa ny sendika. Hanangana “corps” manokana ihany koa ireo mpiasan’ny APMF, mba hahafahana miady ho amin’ny fitantanana ity sampan-draharaha ity.