Tsy fiavian’ny kabeson’ny Ampanjaka Toera – Latsa-dranomaso in-6 sy nalahelo ny Ampanjaka Sakalava

Rajepa

Tontosa soa amantsara ny Fitampoha 2022, izay natao tao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina faritra Menabe, ny faha-4 Aogositra, ka hatramin’ny faha-12 Aogositra lasa teo. Omby miisa 19 no novonoina nandritran’izany fotoana izany. Saika nahatonga solontena tety avokoa ny Ampanjaka rehetra manerana ny Nosy, izay notarihan’ny avy ao amin’ny fikambanan’ny Aantenimieran’Olobe eto Madagasikara (AOM). Ny alakamisy vao nisy solontenam-panjakana foibe tonga tany an-toerana rehefa nisy ny antso avo tamin’ny haino amanjery sy ny tambazotra sosialy ary ny gazety, ka tonga tany an-toerana Andriamatoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, raha solontena kosa no nalefan-dramatoa minisitry ny mponina izay zanak’i Menabe, no sady lehibe tao Belo sur Tsiribihina. Toy izany koa tsy tonga ramatoa minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, izay voakasik’ity Fitampoha ity, satria dia isan’ny harenan’ny kolontsina Malagasy ny Fitampoha.

Nivoitra nandritra ny lahatenin’ ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, fa nirahin’ny filoham-pirenena sy ny Praiminisitra hisolotena azy ireo, no nahatongavany tany, izany hoe tsy hisolo ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina akory. Ny nahagaga ny maro dia tonga niaraka avokoa ireo delegasiônina avy any amin’ny fitondrana foibe, izay notarihin’ny minisitry ny jono sy ireo solontenam-panjakana avy any Morondava, izay notarihin’ny governoran’ny faritra Menabe, notronin’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina, sy ny avy ao Miandrivazo, fa ny solontena izay nirahin-dRamatoa minisitra Lalatiana kosa na dia efa tamin’ny atoandro aza no tonga teo Belo sur Tsiribihina dia efa tamin’ny valo ora alina vao tonga teny Ampasy, izay toerana nanaovana ny Fitampoha ary tsy mba nanotrona ny minisitry ny jono andriamatoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert akory, na tamin’ny fahatongavan’ny minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, na tamin’ny fihaonany tamin’ny Ampanjaka.

Ahian’ny olona ho resaka politika no nandehanan’ny Talen’ny Kabinetra ny Minisiteran’ ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriamatoa RASOANARIVO Haja sy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina RAZAFIARISON Francis tany, satria raha tee-shirt Fitampoha avokoa no nanaovan’ireo solontenam-panjakana dia tee-shirt Freedom kosa ny an’igahy Talen’ny Kabinetra RASOANARIVO Haja. Nandratra ny lahateny nataon’ny Ampanjaka Kamamy Magloire dia latsa-dranomaso mihitsy izy nangataka tamin’ny fitondrana foibe ny mba hampodiana ny kabeso, na ny karandohan’ny Ampanjaka Toera, izay mbola any Frantsa ankehitriny. Raha ny dingana efa vitan’ny fianakaviana izay nataon’izy ireo tamin’ny alalan’i Joe Kamamy dia efa vita ny dingana siantifika fa ny resaka diplaomasia sisa no ilana ny fanjakana, nefa dia toa tsy dia taitra amin’izany ny fanjaka raha ny zavatra misy no jerena, ka dia manao antso avo ny Ampajaka Sakalava, ny mba hampodiana ity karandohan’ny Ampanjaka Toera ity satria dia niady sy niaro ny tanindrazany hatramin’ny farany mihintsy ny Ampanjaka Toera hoy izy, tsy nanaiky ny fanjanahantany. In’enina latsa-dranomaso moa ny Ampanjaka Kamamy Magloire nandritr’iny Fitampoha iny, raha ny resaka kabeson’ny Ampanjaka Toera.

Isan’ny zavatra tsapa koa tato ho ato, fa tsy hita sy mamonjy hetsika ato Menabe mihintsy ny solombavambahoaka izay voafidy tao Manja izay toa manavaka an’i Manja tsy isan’ireo distrika 5 ato Menabe ny fihetsika izay ataon’ity solombavambahoaka ity, raha hita sy tazana matetika amin’ireo hetsika reziônaly izay misy ao Morondava kosa ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Manja.