Kaominina Soalala faritra Boeny – Misy fanamparam-pahefana ataon’ny tompon’andraikitra

Stefa

Araka ny fitarainana nataon’ny solontenan’ny mponina, misy amin’izao fotoana ny fanamparam-pahefana ataon’ny tompon’andraikitra any amin’ny kaominina Soalala distrikan’i Soalala faritra Boeny, izay tarihan’ny ben’ny tanàna Abasse Chieh dit Sebas. Efa nitory any amin’ny Bianco sy ny PAC ireto mponina ireto vokatr’izany. Tranga vitsivitsy no notanisain’izy ireo ary efa any amin’ny BIANCO sy ny PAC ireo raharaha ireo, efa ho taona iray izao: olana teo amin’ny varotra sy fandraharahana dingadinga na concombre de mer: nisy ny vola nalaina tamin’ny mpandraharaha miisa 7 tamin’izany sehatra izany, izay mandoa Ar 3.000.000, Ar 4.000.000 ary, Ar 5.000.000 isam-bolana izy ireo, nefa tsy miditra amin’ny kitampom-bolan’ny fiadidiana ny tanàna izany.

Nisy omby tao amin’ny vala famonjana na fourrière miisa 50 mahery, nanjavona tsy nisy hita ny toerana nandefasana ireo omby ireo. Raharaha efa fantatry ny Bianco koa.
Olana eo amin’ny resaka tany: maro ny tanin’olona sy tanim-panjakana alaina fotsiny amin’izao, izay tsy nahazoana alalana tamin’ny filankevitra monisipaly dia amidy fotsiny.
Ny haraton’ireo mpanjono madinika any an-toerana miisa 100 mahery, nalaina ireo harato ireo nefa efa misy trondro na filao. Nitabataba ny tompony fa nangalana vola Ar 10.000 isan’olona, ny trondro anefa simba avy eo. Nitomany sy nalahelo ireo tompona harato mpanjono madinika ireo noho izany.

Ireo raharaha ireo dia efa any amin’ny BIANCO Mahajanga, koa manaitra ny tompon’andraikitra ny solontenan’ny mponina any Soalala, hijery akaiky izao tsindry hazo lena mahazo azy ireo izao.