Orinasa Aca Capital mpanao fantson-drano – Tsy naloan’ny JIRAMA ny volany, mpiasa maro no lasa tsy an’asa

Stefa

Voatery nanakatom-baravarana ny orinasa Aca Capital, orinasa misehatra amin’ny fanamboarana sy fanoloana ny fantsona fitarihan-dranon’ny orinasa Jirama. Vola mitentina amina miliara Ariary maromaro no tsy nefain’ny Jirama tamin’izy ireo, ka naha-fatiantoka bankiropotra azy. Efa ela ity ACA CAPITAL orinasa avy any Afrika Atsimo, no nisahana ny fanadiovana sy ny fanoloana ny fantsona simba an’ny JRAMA, maro ny fitaovana efa novidiany nanatontosana ny asa ary efa amina miliara ny vola lany.

Efa nisy ny olana teo amin’ny JIRAMA sy ny ACA CAPITAL, saingy niezaka nanarina ny tsy nety nataon’ny JIRAMA hatrany ny orinasa. Nisy fiantraikany tamin’ny orinasa anefa ny vola tsy voaloa, ka voatery nanakatona ny orinasa ny ACA CAPITAL, izay misy mpiasa eo amin’ny 80 eo, voatery najanona amin’ny asany izy ireo satria tsy voaloa ny karamany. Mitoetra hatrany hatreto ny filazana, fa fitondrana tsy mahaloa volan’olona izao fitondrana Rajoelina izao.