Ambasadin’i Etazonia eto amintsika – Nampiditra rano fisotro madio sy fotodrafitrasa fidiovana amin’ny faritra ambanivohitra

Niaina

Nampiditra rano fisotro madio sy foto-drafitrasa fidiovana amin’ny faritra ambanivohitra ny Ambasadin’i Etazonia eto amintsika. Maherin’ny 8.000 ireo mpisitraka izany amin’ny faritra afovoan-tany sy atsimo atsinanana.

Nitokana rafi-pamokarana rano madio ho fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina maherin’ny 8.000 ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena na USAID, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny kaominina anankiroa tsy nisitraka rano afovoan-tany sy atsimo atsinanan’i Madagasikara. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 aogositra lasa teo tao amin’ny kaominina Andonabe ao amin’ny Faritra Vatovavy sy Andrainjato ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ireo fotodrafitrasa vaovao sy nohatsaraina ireo. Anisan’izany ny tohadrano vaovao ho an’ny fanangonan-drano, ireo fitaovana fanadiovana sy fitahirizana rano, ary koa ireo barika sy fantsona mampifandray ireo singam-pamokaran-drano maro samihafa. Tafiditra ao anatin’izany koa ny toerana fandroana ho an’ny daholobe, ny lava-piringa, ny toerana fanasan-tànana, ireo tobim-patsakana madinidinika, ary ny fantson-drano mampifandray ny rafi-pamokaran-drano amin’ny sekoly sy ny tobim-pahasalamana vitsivitsy. Ireo kaominina ireo dia anisan’ny kaominina 250 tohanan’ny USAID eny anivon’ny faritra ambanivohitra amin’ny alalan’ny tetikasa RANO WASH, izay maharitra enin-taona ary mitentina 30 tapitrisa dolara. Ny tanjon’ny tetikasa dia ny hampitombo ny fisitrahana rano madio sy hanatsarana ny fotodrafitrasa fidiovana eo anivon’ny faritra ambanivohitra ao anatin’ny faritra 7 eto Madagasikara.

Ireto fotodrafitrasa vao notokanana ireto kosa dia anisan’ny fiaraha-miasa manokana eo amin’ny tetikasa USAID RANO WASH, sy ny Agence Française de Développement (AFD). 83% ny mponina eto Madagasikara dia monina any ambanivohitra avokoa, ary ny 34% amin’ireo mponina ireo ihany no misitraka rano fisotro madio. 6% monja amin’ireo mponina ambanivohitra ihany koa no afaka misitraka toeram-pidiovana manara-penitra, araka ny tarehimarika navoakan’ny UNICEF. Ny USAID dia miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Rano, Fahadiovana sy Fidiovana eto Madagasikara ary koa ireo Ministera hafa sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny amin’ny fanantanterahana ny tetikasa RANO WASH. Miara-miasa ihany koa amin’ny ny sehatra tsy miankina sy ny ONG toa an’ny CARE, izay mitarika vondron’ny mpiaramiombon’antoka misy ny Catholic Relief Services (CRS), ny WaterAid, ny BushProof, ary ny Sandandrano.

Tafiditra tao anatin’ny hetsika natao teny amin’ny kaominina Andonabe ihany koa ny fankalazana ny fahafahan’ny kaominina tanteraka tamin’ny fangerena ankalamanjana. Kaominina faharoa nahazo izany sata izany tany amin’ny faritra Vatovavy ity kaominina ity, ary efa handrasana tsy ho ela koa ny an’ny kaominina hafa. Modely ho an’ny tanàna hafa izy ireo amin’ireo ezaka nataon’izy ireo hanafoanana io fomba amam-panao io. Ny governemanta amerikanina no mpamatsy vola be indrindra ho an’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara, izay mitentina 440 tapitrisa dolara mahery nanomboka ny taona 2015. Tamin’ny taona 2021 fotsiny dia efa nanome 86 tapitrisa dolara ny USAID, ho fanatsarana ny fahasalamana sy ny fiainan’ny vahoaka malagasy.