EDITO 18 Aogositra – Teo Ambohipotsy tamin’izany – Feno 185 taona ny nandefonana an-dRasalama Martiora

Ny Valosoa

Ny 14 Aogositra 1837 no maty nolefonina teny Ambohipotsy Rasalama martiora kristianina malagasy voalohany.

Raha tsiahivina ny tantaram-pirenena dia ny taona 1818 no tonga teto ireo misionera anglisy avy amin’ny “Lms” na ” London Missionary Society”, fanjakan’ny Mpanjaka Radama I tamin’izany, ireo misionera ireo no nampiely ny fivavahana kristianina teto Madagasikara. Niamboho ny mpanjaka Radama ny taona 1828, ka ny Mpanjakavavy Ranavalona I no nandimby azy, ny 21 Jona 1835 no voadika tamin’ny teny malagasy ny baiboly, ka vao mainka niroborobo ny fitiavan’ny malagasy ny fivavahana kristianina, nanomboka mailo ny mpanjaka vavy, satria na dia tsapany aza fa nitondra fanabeazana mendrika ho an’ny malagasy ilay finoana vao nampidirana dia hitany taratra ihany, fa nisy ny tetika ambadika nizotra tany amin’ny fakana ny tany, izay no antony nahatonga ny fandraisana fepetra hentitra dia ny fampodiana ireo misionera vahiny sy ny fanasaziana ireo malagasy nifikitra tamin’ny fivavahana kristianina.

Nisy ny fisamborana ireo nijoro nitana ny finoana krisitianina, anisan’izany Rafaravavy Rasalama, mpivavaka tao amin’ny fiangonana Manjakaray. Nogadraina tao Ambatonakanga ny alin’ny 13 Aogositra 1837, toerana misy ny fiangonana Fjkm ankehitriny, ny 14 Aogositra 1837 i Rasalama no nentina niakatra teny Ambohipotsy ary teny izy no nolefonina fa tsy teny Ampamarinana araka ny nambaran’Ingahy Filoha Rajoelina. Rafaravavy Rasalama no martiora kristianina voalohany, Rafaralahy Andriamazoto no faharoa tsy ireo ihany fa mbola nisy maromaro ireo novonoina.

Mpino protestanta i Rasalama, fa tsy ny avy amin’ny finoana protestanta ihany no nisy ireo saropiaro tamin’ny fivavahana krisitianina, satria ny mpino katôlika ihany koa dia nanana an’i Victoire Rasoamanarivo, izay nijoro tamin’ny finoany ihany koa na dia nisedra zava-tsarotra maro aza, tsy nahagaga raha toa ka tafaraka tao anatin’ny “Vy Vato Sakelika” na “Vvs ” tamin’ny 1915, izay nivondronan’ireo tia tanindrazana ireo mpitondra fivavahana protestanta sy katôlika toa an’i Pasitera isany Ravelojaona, Randjavola, Razafimahefa sy ry Mompera Venance Manifatra sy ry Frera Raphael Louis Rafiringa.

Azo inoana fa ny fiarahan’ireo samy kristianina samy hafa finoana ireo, no nahatonga saina ireo ray amandrenimpiangonana, ka tonga tamin’ ny fitsanganan’ny “Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara” na ny “FFKM”, izay ivondronan’ireo fiangonana 4 tranainy dia ny “Eklezia Episkôpaly Malagasy “, ny “Eglizy Katolika Apostolika Romana”, ny “Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara”, ny “Fiangonana Loteriana Malagasy”.

Ny antompisian’ny ” Ffkm” dia ny fanamafisana ny firaisampinoana, ka entanina samy hijoro amin’ny mampiavaka azy ny tsirairay ao anatin’ny fanajana ny firaisana, fa tsy izay ihany, fa mijoro amin’ny fametrahana ny fahamarinana eto amin’ny firenena ihany koa ny “Ffkm”.

Feno 185 taona ny nandefonana an’i Rasalama martiora kristianina voalohany, tsy nisy ny fanamarihana izany, satria na nisy aza dia azo antoka fa tsy maintsy nosakanan’ny mpitandro filaminana, ka ny fanomezamboninahitra mendrika indrindra atolotra an-dRasalama dia ny fanamafisana ny finoana an’Andriamanitra ilay telo izay iray: Ray, Zanaka, Fanahy masina. Ny fijoroana amin’ny fahamarinana ary ny fanarahana ny hafatr’ireo Ray amandreny avy ao amin’ny “Ffkm” dia ny tokony hanaovana ny fihaonambem-pirenena.