Gidragidra tao amin’ny Jesosy Mamonjy – Nisy ny torana, maro ny naratra, potika ny fitaratra sy seza,…

Stefa

Mbola nisy indray ny gidragidra na ny korontana tao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano ny alahady teo. Fifandonana teo amin’ireo mitsipaka ny voka-pifidianana ny filankevi-pitantanan’ity fiangonana ity, sy ireo mpomba ny filankevi-pitantanana vaovao. Raikitra tamin’izany ny fifandonana teo amin’ny samy mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Vokany, maro ny naratra, nisy ny torana, potika ny fitaratra sy ny sezan’ny Fiangonana,… Efa nifandona efa ho 20 min mahery ireo samy mpino, vao tafiditra an-tsehatra tao am-piangonana ny mpitandro filaminana nandamina. Arak’izany, mbola rakotra mpitandro filaminana teny an-toerana ny alahady teo io. Tafiditry ny resaka politika ny fiangonana, ka nahatonga fifandonana eo amin’ny samy mpino izao. Ireo avy amin’ny Jesosy Mamonjy any amin’ny faritra avaratra tamin’ny herinandro teo dia efa nanambara koa fa tsy mankasitraka ny voka-pifidianana vita tao Ankorondrano, ny fitondrana anefa nilaza fa tsy misy fifidianana haverina izany intsony. Mety mbola ho tantara mitohy arak’izany ity raharaha ao amin’ny fiangonan’i Daoud ity, raha tsy misy ny fifandaminana matotra sy fifandeferana eo amin’ireo mpifanandrina.