AIZA IZAY MANGARAHARA ?

Tena zava-tsy iainana eto Madagasikara
Ny fanaovana ho ambony izany hoe “mangarahara”,
K’aza gaga raha dia mahina eny foana ny vahoaka
Raha vao reny ny mpitondra sy ny ekipa fa hivoaka.

“ Inona no foto-diany no dia marobe ireto izy,
Nefa anie ny firenena miaina anatin’ny krizy?”
‘Ndeha hitsangantsangana aiza, handanilany vola indray
Kanefa ny ady atrehina eto toa vao mainka mahamay ?

Vatosoa sa volamena no hivoaka hanaraka azy?
Be no manontany izany raha vao be ireo bagazy.
Hitondra soa ho anay vahoaka sa ho azy irery ihany?
Mila valiny mazava izany rehetra rehetra izany!

… Saingy tsy iainana eto izany hoe mangarahara,
Fa ireo mba manontany dia voaenjika, voarara.
Moa ho diso ve ny sainy, inona no fahotany,
Sa dia be ny tsy mazava afenina any ambadika any?

DADAN’i RIANA (13-08-22)