Basket-ball – Mahomby rehefa tsy itsabahan-dRajoelina

Ny Valosoa

Tafakatra tamin’ny lalao famaranana ny mpilalao basikety malagasy lehilahy, teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny sokafy latsaky ny 18 taona, ary mbola ny mpilalao malagasy M’Madi no mpilalao mendrika indrindra nandritra ny fifaninanana.

Mendri-piderana ny mpilalao sy ny federasiôna tamin’izao fahombiazana izao, satria tsy tongatonga ho azy izany, fa tsy maintsy nisy ny ezaka natao matoa nahavita dingana, etsy andaniny koa dia efa fay angamba ny fitondrana sy ny filoha Rajoelina, ka tsy nitsabaka intsony tamin’ny fikarakarana, dia afaka niasa malalaka ny teknisiana, kanefa azo eritreretina koa ny hoe tsy naharototra an’Ingahy filoha ny basikety, satria tsy noheveriny hoe handresy, fa manomboka izao dia azo antoka fa hidirana 200 isan-jato indray io taranja io dia azon’ny rehetra an-tsaina ny vokatra ho avy eo fa hifotetaka amin’ny tany indray.

Tafakatra ihany koa hiatrika ny fiadiana ny tompondaka erantany ho an’ny latsaky ny 19 taona koa ireto mpilalao ireto, satria solontena roa no anjaran’ny kaontinanta afrikana, dia isika sy Egypta izay nanao ny lalao famaranana, no tafita amin’izany dingana goavana izany.

Voninahi-pirenena no arovan’ireo mpilalao malagasy amin’izany fihaonana faran’izay goavana izany, ka mila ny fanampiana avy amin’ny rehetra ireo mpilalao, na eo amin’ny hoenti-manana na eo amin’ny fankaherezana ara-tsaina, ary ny tsy kely indrindra dia ny fitondrana azy ireo ambavaka, ka mikasika ilay fanampiana dia manana adidy voalohany amin’izany ny fitondrana, ka ny andrandraina dia fanampiana atao amin’ny fo feno fitiavan-tanindrazana no tokony hatolotry ny fitondrana, fa tsy sanatria hatao fitaovana politika indray ireo mpilalao, sady ny ho lany amin’izany koa anie dia vola avy amin’ny vahoaka fa tsy vola avy any antsikinan’ny mpitondra e!

Isika eto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao dia miarahaba sy mankahery ireo mpilalao ary mirary an’izy ireo ho tonga amin’ny dingana avo, ary amim-panetrentena no iangaviantsika ireo mpitondra, indrindra f’Ingahy Filoha Rajoelina, tsy hisovaly ny dingana vita sao sanatria ho tonga amin’ny toerana misy ny “Barea’’ indray ireto Ankoay lahy ireto.