Filoha Ravalomanana – Nanome voninahitra ny Tanora Loterana Malagasy

Isambilo

Nifarana ny alahady teo ny fitraofambe, na ny fihaonamben’ny Tanora loterana Malagasy manerana ny Nosy, na Firaisankinan’ny Tanora Kristiana Loterana Malagasy (FKTLM), natao tany Mahajanga. Fotoam-pivavahana lehibe nanamorona ny ranomasina, tany amin’ny Village Tourustique tao an-drenivohitra Boegny, no namaranana izany tamin’ny fomba ofisialy. Nanotrona sy nanome voninahitra izany fotoana izany ny filoha Marc Ravalomanana, izay filoha lefitry ny fiangonana FJKM teo aloha, ao anatin’ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara), sady ray aman-dreny manana traikefa koa amin’ny fahaiza-mitarika. Ka anisan’ny foto-diany tany an-toerana izay fizarana traikefa izay, tsy ho an’ny ao amin’ny fiangonana FJKM ihany, fa ho an’ny tanora FLM ihany koa. Ny herinandro lasa teo, efa nizara ny fahaiza-manaony amin’izay fahaiza-mitarika, na leadership izay izy, ho an’ireo vehivavy avy amin’ny Dôrkasy FJKM avy amin’ny lafy valon’i Madagasikara tany Antsiranana, dia izao mbola notohizana tany Mahajanga izao. Tao aorian’ny vavaka, nilaharana ny niara-naka sary tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tany amoron-driakan’i Mahajanga io.