Fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko TIM – Nosakanan’ny herim-pamoretan-dRajoelina ny tany Mahajanga

Isambilo

Nosakanan’ny herim-pamoretan-dRajoelina ny saika hankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany Mahajanga faritra Boegny. Araka ny efa tapaky ny birao pôlitikan’ny antoko sy ny komity mpikarakara, tokony hoentina mitety faritra izany fanamarihana izany, ka nanomboka ny sabotsy teo ary tokony ho nifarana omaly ny tany Mahajanga, tokony ho natao tao amin’ny Magro any Mahajanga Be. Hatramin’ny sabotsy anefa, tsy navelan’ireo mpitandro filaminana any an-toerana nidirana izany toerana manokana sy an’olon-tsotra izany, fa hoe tsy nahazo alalana. Tsy mahazo mankalaza ny fetiny ao an-tokantranony izany ny olona, raha ireo mpitandro filaminana sy ny Prefet any Mahajanga no jerena, tena fanitsakitsahana ny demôkrasia sy didy jadona mihitsy no ataon’izao fitondrana Rajoelina izao.

Raha ny nambaran’ny mpikatroka TIM tany any-toerana, sy ny solontenan’ny mponina tafaresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao, rehefa ny avy amin’ny fitondrana anefa no manao hetsika dia avela hanao ny danin’ny kibony mampiasa ny arabe, manao izay tiany hatao amin’ny hetsika ara-politika homaniny, fa raha ny avy amin’ny antoko mpanohitra toy ny TIM, na amin’ny toerana mikatona sy an’olon-tsotra aza dia tsy azo atao. Tena misy ny mizana tsindrian’ila. Niezaka nandresy lahatra ireo mpitandro filaminana ihany ireo depiote TIM, notarihan’ny filohan’ny vondrona parlemanterany, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, ny sekretera jeneraly nasiônaly faharoa ny antoko ny depioten’Ambohidratrimo Mamy Rabenirina ary ny mpandrindra nasiônalin’ny antoko Jean Claude Rakotonirina, fa tsy nanokatra ny Magro hatramin’ny farany ireo herim-pamoretan’ny fitondrana. Tsy tontosa araka ny niheverana azy arak’izany ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana. Fampirantiana ny tantaran’ny antoko ho an’ny vahoakan’i Mahajanga anefa no saika natao tany. Mazava ho azy amin’ny maha hetsika politika ny hetsika, tsy maintsy tokony ho nisy ihany ny kabary politika.

Fehiny: tena matahotra fadiranovana ny filoha Marc Ravalomanana, sy ny antoko najorony izao fitondrana Rajoelina izao, hatrany an-tampony, ka hatrany amin’ny rafitra sasany any amin’ny faritra. Averina foana anefa ho an’ny mpitondra isan-tsokajiny ny hoe: “tsarovy fa misy fetrany ny zava-drehetra!” Ary ny fanakanana ataon’izy ireo, no vao mainka mampakatra ny lazan’ny antoko TIM sy ny filoha mpanorina azy.