Vokatry ny disadisam-pirahamonina – Olona 10 maty nokapaina antsy avy eo nodorana ny tranony

Stefa

Vokatry ny disadisam-pirahamonina tany Ihabohazo distrikan’i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana, zava-doza no nitranga, olona 10 no namoy ny ainy tamin’izany, ka zaza ny 7, trano miisa 5 no may.

Izao tranga mampalahelo sy mampivarahontsana nahafatesan’olona miisa 10 tao Tsapoka kaominina Ihabohazo distrikan’i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana izao dia nitranga afak’omaly tamin’ny 8 ora alina. Raha vao nandre izany ny Komandin’ny Faripiadidian’ny Zandarimaria Fianarantsoa sy ny Vondron-tobim-pileovana Sud-Est ary ny Vondron-tobim-paritra Farafangana dia nidina any ifotony niaraka amin’ireo Toby rehetra manodidina.

Araka ny angom-baovao teo an-tsehatra dia nanapoaka basy ireo andian’olona tsivalahara nanafika, niditra amboletra tamin’ny tokantrano miisa 5 ary notetehin’izy ireo tamin’ny fibara izay olona 10 hitan’izy ireo ary farany dia nodoran’izy ireo ny trano mialoha ny nandosirany.

Anatin’ny fanadihadiana lalina ireo Zandary any an-toerana, ka efa fantatra ireo olona nahavanon-doza sy ny toerana fiaviany ary ny nitsoahany, ka efa manomboka ny hazalambo. Marihina fa samy zanam-poko Zaramanampy Antefasy izy ireo, fa tsy hoe mpifahavalo akory na dahalo hangalatr’omby. Lonilonim-piarahamonina nihombo ho valifaty ary niafara amin’izao habibiana izao no namoizana ireo olona 10, ka zazakely ny 07 ary 03 olon-dehibe.