Jesosy Mamonjy any amin’ny faritra Avaratra – Misy tsy manaiky ny voka-pifidianana natao tao Ankorondrano

Stefa

Nivavaka ho an’ny fiangonana Jesosy Mamonjy ny mpino ao aminy ny farany herinandro teo tany Antsiranana faritra Diana. Olana iainan’ity fiangonana ity amin’izao fotoana, ny fitsabahana ataon’ny mpanao politika sasany, izay no ambaran’ny any an-toerana, fa rangory fototry ny afo amin’ny korontana misy. Nanambara izany, sy nikarakara ny vavaka tany Diego izao : Soeurs HOLIJA, Soeurs Maimouna Masimina, ary Frère Lucien.

Miantso ny fitondrana koa izy ireo handinika lalina amin’ny fanapahan-kevitra nentiny tamin’ny fifidiana izay filoha mpitarika ny fiangonana, ka niafara amin’izao savorovoro izao. Tsy manaiky ny voka-pifidiana nisy, natao tao Ankorondrano iny ny mpino any avaratry ny Nosy, araka ny fanambarana nataon’izy ireo.