Filoha Ravalomanana – Rano sy vary tamin’ireo any Antsiranana

Isambilo

Tamana tany Antsiranana faritra Diana, izay no azo ilazana ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ity herinandro ity, sy tamin’ny herinandro lasa teo. Araka ny efa nanarahana azy, nahazo fanasana, ka nanatrika ny fivoriamben’ny Dôrkasin’ny fiangonana FJKM manerana ny Nosy tany Diego izy. Avy eo saika hihaona tamin’ny mponin’Antsiranana tao amin’ny Tiko Palce Kabaro Diego, saingy nosakanan’ireo herim-pamoretan’ny fitondrana Rajoelina. Na izany aza anefa, afaka nihaona sy nitafa tamin’ireo vitsivitsy lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any amin’ny faritra avaratry ny Nosy, tao amin’io toerana io ihany ny filoha Ravalomanana.

Toy ny fanaony amin’ny toerana rehetra alehany, mitafa sy mikoragna mivantana amin’ireo rehetra sendra azy izy, na olon-tsotra, na mpanjono toy ny tany Ramena, na mpivarotra sy mpividy toy ny nataony tao amin’ny Bazar Antsiranana. Hita ho tena rano sy vary, amin’ireo olona rehetra mihaona aminy ny filoha Marc Ravalomanana, tsy misy ny elanelana fa mitafa mivantana amin’izy ireo, mihaino ny hetahetany ihany koa ity filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM ity. Nambarany nandritra izany fa:” hafaliana sy fitsikiana no nandraisan’ireo mpivarotra sy olona nifanena tamiko raha niantsena tao Bazarikely teto Antsiranana aho. Mitaraina izy ireo, fa tsy zaka intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana ary miantso ny hanavotana azy ireo. ”