Miandrivazo faritra Menabe – Mitotongana vidin’ny tsaramaso

Aly

Faritra mpamokatra tsaramaso ny any amin’ny distrikan’i Miandrivazo faritra Menabe. Mitotongana anefa ny vidin’izany tsaramaso izany any an-toerana amin’izao fotoana, noho ny fanararaotana ataon’ireo mpanangom-bokatra sasany amin’ny tantsaha. Tafidina 2800 Ar ny iray kg amin’izao fotoana, raha 3500 Ar izany ny herinandro lasa teo. Novidina 1200 Ar anefa ny iray kapoaka tamin’ny fividianana masomboly ho an’ireo tantsaha, ka maty antoka izy ireo ankehitriny amin’izay varotra tsaramaso izay, ka iantsoany mpandraharaha hafa koa hividy ny vokatr’izy ireo any ifotony.

Distrika anisan’ny sangany amin’ny vokatra tsaramaso i Miandrivazo, ary mamatsy faritra maro. Tafakatra 10000 ha ny faritra voavoly tsaramaso any an-toerana tamin’ity taona ity, noho ny fisian’ny rotsak’orana sy ny tohana ary fampitaovana avy amin’ny foibem-paritry ny fambolena sy ny tetikasa AD2M, tohanan’ny FIDA. Notombanana ho 22000 t ny vokatra ho an’ny faritra Menabe manontolo, ary ao Miandrivazo ny ankamaroany.