Biraon’ny fokontany Ambohipo – Tafiditra ny rano nampanantenain’ny depiote Rastany

Niaina

Tafiditra amin’izao fotoana ny rano nampanantenain’ny depiote Rastany, na Randrianarisoa Stanislas ao amin’ny biraon’ny fokontany Ambohipo Boriboritany faharoa eto Antananarivo Renivohitra. Nanambara ity olom-boafidy ity fa tafiditra soa aman-tsara izany rano izany. Efa nohavaozina (rehabilité) rahateo ihany koa hoy izy izany birao izany, araka ny fangatahan’ny filohan’ny fokontany eny an-toerana. Nanamafy ny depiote RASTANY, fa araka izay efa nolazainy dia tsy misy atao ambanin-javatra ny Fokontany 24 ao amin’ny boriboritany faharoa fa samy tsy maintsy hanaovany asa sôsialy sy fampandrosoana avokoa.

“Tsy mba mampanantena zavatra tsy ho vita aho, fa avy dia manao sy manolotra araka izay azoko atao,” hoy hatrany ity solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ity.