Kaominina Ivato – Nahazo lalana vita amin’ny beton ny K4

Niaina

Nahazo lalana vita amin’ny beton ny faritra K4 eny amin’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo. Nitokana izao zava-bita tao amin’ity kaominina ity izao, ny ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa, notronin’ny solombavambahoakan’Ambohidratrimo Johnny, teo koa ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo. Nolokoina ho endriky ny tanàna ihany koa ny rindrina. Nankasitraka izao zava-bita izao ny mponina ao amin’ny K4, satria afaka tamin’ny loto sy ny fofona maimbo izay nampalaza ratsy iny toerana iny izy ireo.