SASATRY NY MIADY GISITRA

Gasy noana, gasy reraka, efa tena lany vatsy,
Izay no misy ka aza gaga raha mitombo ny olon-dratsy.
Diso paika ny mpitondra raha atao ny tomban’ezaka,
Tsy voajery ny vahoaka fa vao mainka mitofezaka!

Ny mpitondra, mihamatavy, ny fiainany misosa.
Ny vahoaka, mihamanavy sy vao mainka bokan-trosa.
Izany izao no zava-misy raha somary aseho an-tsary.
Mandry ve ny sainareo ry Rainilainga be kabary?

Izay laharam-pahamehana, toa tsy fantatra mihitsy.
Tena tsy hay ampandeferina ny tombontsoan’olom-bitsy.
Izany hoe hifehy ny kibony, tena tsy hain’iretsy sasany.
Ny mangorona ny tsy azy, izany hatrany no lahasany!

K’aza gaga raha mihemotra isan-taona ny laharana,
F’efa fahantrana lalina no indro fa manarangarana.
Kintankely mitsilopy sisa no mipendrampendrana,
Te haneso sy hanakora iretsy Tena Gasy Vendrana!

TSIMIMALO (11-08-22)

(Sary nindramina)