EDITO 13 Aogositra – Antsiranana – Tena sahirana sy fadiranovana koa ny ankamaroan’ny vahoaka

Andry Tsiavalona

Tsy misy krizy eto Madagasikara hoy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina teo anatrehan’ny Vondrona Eorôpeana. Tsy maha vahaolana ara-toekarena sy ara-tsosialy hono rehefa mivaha ny olana ara-politika, hoy ny minisitra iray.

Nitety faritra maro ny filoha, Ra-valomanana Marc ary niaraha-niaina sy nahita ny fanakantsakanana sy filàna sotasota nataon’ireo « mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ». Ary na ny « préfet de Police », na ny lehiben’ny Distrika, na ny governora dia nampiseho fitongilanana sy fitondrana mitanila. Entina manaprofo izany ny tranga tany Tsiroanomandidy, izay tsy namelàna ny Filoha Ravalomanana Marc tsy navela na dia ny fanatrehana Fotoam-pivavahana aza. Naterin’ireo “mpiaro ny vahoaka sy ny fananany” hatrany Antsirabe mihitsy kanefa dia navela namory vahoaka ny antoko mampiakanjo lokom-boasary, ka nolazaina fa lanonam-panjakana no natao tao Tsiroanomandidy. Tsy nomena alàlana namory ny mpiaradia aminy tao amin’ny tanànany, Magro ihany koa izy tao Antsirabe. Navela nalalaka ihany kosa anefa ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina. Namory vahoaka nizara kara-tany notronin’ireo olona nampitafiana akanjo lokom-boasary misy soratra KMAR izay toa manambara fa manao fampielezan-kevitra ny Filohan’ny Repoblika, satria vaovao be ary na tiana na tsy tiana dia vao avy nampanamboarina ireny fitafiana ireny nentina namalifaliana ny gasy mahantra, tsy manan-kitafy, pi-maso entina milaza fa mahafantatra tsara ny fahantran’ny vahoaka ny filohan’ny Repoblika.

Nikasa nanao hetsika tao amin’ny Magro Behoririka, tanàna manokan’ny Filoha, Ravalomanana Marc, indray ny Rodoben’ny Mpanohitra RMDM roa herinandro lasa izay kanefa dia feno “mpiaro ny vahoaka sy ny fananany” indray manodidina ity toerana ity teny amin’ny manodidina, hatreny Ambohijatovo sy Soarano ary Antaninarenina aza. Nifanindry an-dàlana tamin’izany anefa ny famoriana gasy mitafy akanjo lokom-boasary teny amin’ny Kianja Maintson’Analamahitsy ny depiote Ird voafidy eny amin’ny Boriboritany faha-V.

“Tsy misy tokoa ny roa raha tsy misy telo” hoy ny fitenenana, ka tsy mbola navela niditra tao amin’ny tanànany indray ny Filoha Ravalomanana Marc tany Antsiranana. Tsy fantatra intsony izay nanome ny baiko, fa dia mbola ny “mpiaro ny vahoaka sy ny fanany” indray no nanambara fa tsy navela niditra tao ny vahoaka. Soa, ihany fa tsy nosakanana izy tamin’ny fihaonany tamin’ny Fikambanana Dôrkasy FJKM toy izay nitranga tany Tsiroanomandidy. Tsy nahasakana ny fitafan-dRavalomanana Marc tamin’ny mponina tena sahirana anefa izany, ka nahafantarany indray fa tena mahantra fadiranovana, toy ny any amin’ny Faritra rehetra, ihany koa ny vahoaka any Antsiranana. Tsy misy ny asa, mananika ny arivo ariary ny kapoakan’ny vary, ka nitaky ny fiverenan’i Dada eo amin’ny fitantanana ny Firenena ireo vahoaka nitafa taminy. Tsy ireo ihany no sahirana ao Antsiranana, fa iaraha-mahalala ny loza mianjady amin’ny mpiasan’ny Secren izay tsy nandray karama folo volana.

Tsy misy krizy tokoa eto Madagasikara ho an’ny mpitondra satria tsy manana olana eo amin’ny lafiny rehetra izy ireo ary izy ireo no mitondra, ka izay lazainy dia tsy misy afaka mandà izany satria ny jamba ihany no tsy mahita ny fandrosoana vitany. Raha ireo no jerena dia tsy “mpiaro ny vahoaka sy ny fananany” ireo antsoina ho “grande muette” fa “mpanakana ny vahoaka tsy hiditra ao an-tanànany”. Nanana ireo noheveriny fa mpiaro azy ny mpitondra nifandimby, ka nampiasa azy ireny namoretana ny vahoaka. Ny hery anefa tsy mahaleo ny fanahy hoy ny fahendrena Malagasy.