Vovonana Gasy Leo – Hampiasa ny fahefam-bahoaka raha tsy handray andraikitra ny olom-boafidy

Franck Razakambelo

Nanatitra taratasy mampahafantatra an’ireo fandikan-dalàna rehetra nataon’ny filoham-pirenena Rajoelina, sy ny mpiara miasa aminy tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena omaly maraina ny vovonana Gasy Leo. Nitety an’ireo biraon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena etsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny solontenan’ny vovonana Gasy Leo ary notolorana an’ity taratasy fampahafantarana ity avokoa ireo Sekreteran’ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy amin’ny faritany miisa 6 manerana ny Nosy.

Nilaza Andriamatoa Raherimampianina Nambinina, mpikambana ao amin’ny vovonana Gasy leo, fa manome fe-potoana an’ireo Solombavambahoaka ny vovonana Gay leo, mba hanao « Rappel à l’ordre » ny mpitondra fanjakana rehetra manoloana ny trangana fandikana lalàna velona, izay ataon’izy ireo ary raha sanatria ka tsy mandray ny andraikiny ny olom-boafidy dia miray tetika sy miray petsapetsa amin’ny filohampirenena ireto farany amin’izao fahoriam-bahoaka izao.

Nanohy fanazavana ity mpikambana ao amin’ny vovonana Gasy Leo ity, fa ny Solombavambahoaka no tokony hitsangana hanaitra ny mpanapa-kevitra manoloana ny fisian’ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana misy amin’izao fotoana izao ary raha tsy mandray ny andraikiny ireto farany dia hitsangana ny Vovonana Gasy Leo handray fepetra amin’ny fampiasana ny fahefam-bahoaka.

Nilaza Andriamatoa Achim Kely, filoha lefitry ny Gasy Leo Faritany Mahajanga, fa manaitra ny fanjakana foibe ity farany hijery ny sosialim-bahoaka. Tsy manaja ny zon’olombelona ireo mpitondra ao Mahajanga, vokatr’izany maneho ny alahelony ny vahoaka any an-toerana, satria tsy misy asa ny tanora, no sady mirongatra manaraka izany tsy fandriampahalemana any an-toerana amin’izao fotoanaa izao. Nanohy fanazavana ity filoha lefitry ny vovonana Gasy Leo Faritany Mahajanga ity, fa raha tsy misy fivoarany ny toe-draharaham-pirenena any an-toerana dia tsy maintsy haverina amin’ny vahoaka ny fahefam-panjakana, homena ny mpitondra vaovao izay mahavaha ny olam-bahoaka.

Tsiahivina fa efa mitsangana ireo filoha lefitra mitantana ny vovonana Gasy Leo eo anivon’ny Faritany 6 eto Madagasikara ary miezaka manaraka ny lalàna velona ny fitakiana izay ataon’izy ireo hatreto, araka ny nambarany.