Afrobasket U18 vehivavy – Tafakatra amin’ny ½-dalana ny Ankoay Madagasikara

Lita

Nampitsanga-mitoetra ny lalao basket-ball: Afrobasket U18 vehivavy tany Antsirabe faritra Vakinankaratra omaly, teo amin’ny lalao ¼-dalan’ity fifaninanana Afrikana ity. Niady ny lalao teo amin’ny zazavavy Malagasy sy ny Tanzaniana, ety dia ety hatrany ny isa teny amin’ny tabilao nandritra izany lalao izany, hatramin’ny fiafaran’ny lalao, nahatontosana ireo ampaham-potoana miisa 4 nanaovana izany lalao izany. Tany amin’ny minitra farany no nahatafavoaka ny Ankoay Madagasikara, nanilika an’i Tanzania tamin’ny isa 61 no ho 58. Teo amin’ny sokajy zazalahy kosa, i Guinee no nikatroka tamin’ny Ankoay Madagasikara teo amin’ny lalao ¼-dalana omaly.