Fanomezana anarana Malagasy foto-drafitrasa – Rainilainga toy ny Filoha koa ny ministry ny serasera sy kolontsaina

Niaina

Tsy mbola hita hatramin’izao ny fanomezana anarana Malagasy ireo foto-drafitrasa samy hafa manerana ny Nosy. Mba fantatry ny filoha Rajoelina ve, ireo fampanantena nataon’ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, efa tamin’ny volana mey 2919, fa ho ampitondraina anarana Malagasy ireo foto-drafitrasa maro samy hafa manerana ny Nosy toy ny sekoly, kianja, lalana, hopitaly, Toby miaramila, sns…

Tsy misy maharary izany, kanefa toa lasa fampanantenana tsy tanteraka toy ireo maro hafa ihany koa, ny mahakasika io fanomezana anarana Malagasy ireo foto-drafitrasa samy hafa ireo, izay maro dia maro tokoa manerana ny Nosy. Tsy ireo any amin’ny Faritra ihany, fa na ny eto amin’ny faritra Analamanga dia somary efa tsy manantena intsony an’izany, kanefa raha ny marina dia efa vita ny asan’ireo commission, na ny vaomiera nampiandraiketina ny asa tamin’izany.

Hita koa amin’izao, fa miato trano hambara ho Mozea Koltoraly etsy Ambohitsorohitra. Santionany ihany ireo, fa be ny endrika fitaka misy eto Madagasikara ataon’izao fitondrana Rajoelina izao.