Andrianasolo Ravelonanosy Clovis – Tsy azo ihodivirana ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena

Franck Razakambelo

Mirefarefa amin’ny tany ny toe-tsain’ny fiarahamonina Malagasy amin’izao fotoana izao, satria miala tanteraka amin’ny soa-toavina maha-malagasy ny olom-pirenena hoy Andriamatoa Andrianasolo Revelonanosy Solomon Clovis filoha nasiônalin’ny antoko Fanare (Fitondrana Andriamanjaka miara-miasa amin’ny Repoblika), no sady mpikambana ao amin’ny vondrona Rmdm. Nanohy fanazavana ity mpanao politika ity, fa tokony haverina indray ny fitsaram-bahoaka any ambanivohitra izay fitsarana efa nataon’ny faha Mpanjaka taloha ary saziana araka ny heloka nataony ny olona, mba tsy hamerin-keloka intsony. Nanohy fanazavana ity farany, fa tsy azo ekena izany olona tsy maty manota izany eto amin’ny firenena ary tokony hamerim-bola na manao asa iombonana na migadra ireo olona tratra manao an’izany.

Nilaza Andriamatoa Andrianasolo Clovis, fa tokony ho saziana ihany koa ireo olona na solontenam-panjakana mindrana vola amin’ny vahiny satria mampahantra ny vahoaka ary ireto farany ihany no hamerina izany vola izany amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra. Nanamafy ity mpanao politika ity, fa manatsara ny fitantanadraharaham-panjakana ny fanoloana ny Antenimierandoholona ho lasa Antenimieran’ny havan’Andriana izany hoe mijanona ho Andrimpanjakana mpanao lalàna sy olom-boafidy avokoa ny mpikambana ao aminy ary tsy manakorontana an’ireo rafi-panjakana hafa. Nanambara ity mpanao politika ity, fa tokony hiverina amin’ny fanorenana ifotony ny firenena amin’ny alalan’ny fifidianana ny Lalampanorenana vaovao mifanaraka amin’ny rafi-pitondrana maha Malagasy, fanjakan’Andriamanjaka: “Monarchie”, izay rafitra hitondrana ny tany sy ny fanjakana.

Nilaza izy, fa tokony hitovy tantana sy ho ambanin’ny lalàna avokoa ireo kandida izay hifaninana amin’ny fifidianana rehetra izay hatao ary tanterahina ao anatin’ny fahalalahana izany, mba tsy hisian’ny kandida mangalatra “Depart”. Nanambara ny filohan’ny antoko Fanare, fa tokony hiala eo amin’ny fitondrana ny filoham-pirenena mandika ny Lalam-panorenana ary tsy azo ihodivirana ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena hitadiavam-bahaolana amin’izao Krizy izao, no sady miantso ny FFKM handray anjara mavitrika amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena. Miantso ny olom-pirenena rehetra hiara-hiasa aminy ny antoko Fanare, mba handrodana ny mandan’i Jericho, izay mamotika ny fiandrianam-pirenena ary hametraka ny rafitra “Monarchie”.