Ambasadaoron’I Etazonia – Nijery ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny haintany tany Atsimo

Aly

Sambany nitsidika ny faritra atsimon’i Madagasikara, izay tratry ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo ny Ambasadaoro Amerikana eto Madagasikara Claire Pierangelo. Nanamafy ny fanohanan’i Etazonia ny fampihenana ny tsy fanjariantsakafo sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika na “résilience” ny Ambasadaoro amerikana vaovao. Nandritra ny herinandro voalohan’ny volana aogositra dia nitsidika ny faritra Atsimon’i Madagasikara, izay tratry ny haintany ny Ambasadaoro amerikanina Claire A. Pierangelo.

Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny faritra, ireo mpanome tolotra ara-pahasalamana, ireo manampahaizana manokana momba ny fanjariantsakafo ary ireo mpahazo tombontsoa ny Ambasadaoro. Teny ifotony ihany koa no nahitany mivantana ny voka-tsoa nateraky ny fanohanan’ny governementa amerikana ny mponina eny an-toerana, tamin’ny alalan’ny fomba fambolena manaraka ny fivoaran’ny toetrandro ary koa ny fotodrafitrasa maro samihafa mariky ny ezaka fampandrosoana ara-toekarena. Nandritra ny fitsidihana izay naharitra 5 andro, ny Ambasadaoro Pierangelo dia nanatri-maso ny fiantraikan’ny fikorontanan’ny toetrandro amin’ny mponina eny ifotony, sy ny maha-zava-dehibe ny fanohanan’i Etazonia, amin’ny alàlan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID), ny fanjariantsakafo any Atsimo, izay iarahana miasa miaraka amin’ny Firenena Mikambana, ny ONG na fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny Governemanta Malagasy. Amin’ny alalan’ireo fiaraha-miasa ireo, ny fandaharanasa tohanan’ny USAID dia manome sakafo ho an’ireo izay marefo indrindra, manatsara ny tolotra ara-pahasalamana, manitatra ny fivelomana, ary miaro ny biby sy zavamaniry atahorana ho lany tamingana.

Fototry ny fahantrana

“Ny governemanta amerikana dia manolo-tena bebe kokoa amin’ny fampihenana ny fahantrana, ny hanoanana ary ny tsy fanjariantsakafo eto Madagasikara”, hoy ny Ambasadaoro Pierangelo taorian’ny fitsidihana izay nataony. “Nandritra ity dia ity no nahitako fomba vaovao sy mahomby hamahana ny fototry ny fahantrana sy ireo olana maro samihafa mety aterak’izany.” Tao amin’ny Distrikan’Ampanihy ny alatsinainy lasa teo, dia nihaona tamin’ireo mpanome tolotra ara-pahasalamana sy mpilatsaka an-tsitrapo, ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny Ambasadaoro Pierangelo. Noresahana nandritra izany ny fiofanana notohanan’ny USAID, izay nanampy azy ireo hanome tolotra tsara kokoa momba ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny sakafo ary ny fisorohana ny tazomoka eny an-toerana. Tao Tanambao, ao amin’ny Distrikan’i Beloha, teo amin’ny toerana fanarahamaso ny fitomboan’ny zaza latsaky ny dimy taona izay tohanan’ny USAID, dia nitondra ny zanany ny renim-pianakaviana, mba hotiliana amin’ny tsy fanjariantsakafo. Nanatrika fiofanana ihany koa izy ireo momba ny fikarakarana sakafo be otrikaina, ho an’ny fianakaviana arakaraka ny karazan-tsakafo misy eny an-toerana. Renim-pianakaviana iray teny an-toerana antsoina hoe Mboae no nitantara fa voatily ho tsy ampy sakafo sy tsy ampy lanja ny zanany vavy, efa ho enim-bolana lasa izay, ka nomena karazan-tsakafo fanampiny natokana ho an’ny zaza tsy ampy lanja ilay zaza ho fitsaboana azy, ankoatra ny sakafo efa mahazatra azy. “Nandritra ny fanaraha-maso natao anio,” hoy izy tamin’ny Ambasadaoro, “dia nolazaina tamiko androany fa sitrana tanteraka ny zanako vavy.”

Sarotra nahitana rano

Tao amin’ny fokontany Vohibola ao amin’ny Distrikan’i Beloha ihany koa, no nahitan’ny Ambasadaoro Pierangelo ny fomba nanomezan’ny USAID masomboly sy ny nametrahana rano fisotro ary fitaovana fanondrahana ho an’ny tokantrano mpamboly. Rehefa nihaona tamin’ny mponina izy, dia nahare ny nahafahan’ity teknolojia vaovao ity nanampy azy ireo hiatrika ny hain-tany. “Sarotra nahitana rano teto an-tanànanay ary tena tsy afaka nanondraka ny voliko firy aho,” hoy i Tavesoae, renim-pianakaviana manan-janaka valo izay manana zaridaina fambolen’anana misitraka ny famatsian-drano vaovao izay namboarina teo akaikin’ny tranony. “Nanome masomboly sy rano ho an’ny voliko ilay fandaharanasa ary ny legioma isan-karazany amboleko ankehitriny dia manampy ny fianakaviako ho salama sy ho ampy sakafo.” Nihaona tamin’ireo mpanjono monina manodidina ny morontsirak’i Lavanono ao amin’ny Distrikan’i Beloha ihany koa ny Ambasadaoro ary ny jono no hany asa fivelomana eny an-toerana. Nandritra izany no nahafantaran’ny Ambasadaoro ny fomba nanampian’i Etazonia an’ity vondrom-piarahamonina ity amin’ny fananganana vondrona mpitahiry sy mpifampidram-bola hanatsarana ny fahefa-mividy sy hanangonana sy hampiasana ireo vola azon’izy ireo. Ireo vondrona ireo dia nanampy ihany koa ny vehivavy hanao asa fampidiram-bola ankoatra ny jono. Tany amin’ny Distrikan’Ambovombe dia nitsidika ireo mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny tantsaha mpamboly vomanga tohanan’ny USAID ny Ambasadaoro Pierangelo. Tao no nanandramany karazan-tsakafo vita amin’ny vomanga miaty volom-boasary, be otrikaina sy mahatanty ny fiovan’ny toetrandro. Nohazavain’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana fa tena nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fanatsarana ny toekaren’ny faritra sy ny fahasalaman’ny fianakaviana eo an-toerana ny fampidirana ny vomanga be vitaminina A sy mora ambolena.

Atahorana ho lany tamingana

Ny Ambasadaoro Pierangelo koa dia nitsidika ny toerana ao Mahavelo izay namonjen’ny Turtle Alliance Survival (TSA) ireo sokatra aman’arivony atahorana ho lany tamingana ary nogiazana taorian’ny saika nanondranana azy ireo tany ivelany. Hatramin’ny nahazoan’ny TSA fanohanana avy amin’ny USAID tamin’ny taona 2020, dia sokatra maherin’ny 26.000 no nogiazana raha saika nisy nanondrana an-tsokosoko teto Madagasikara ary sokatra miisa 1.000 no efa naverina indray tany an’ala izay tena toeram-ponenan’izy ireo. Ny TSA koa dia mividy sakafo ho an’ny sokatra avy amin’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, mba hampitomboana ny fidiram-bolan’izy ireo. Ny Ambasadaoro Pierangelo dia nifanakalo hevitra tamin’ireo mpanao gazety avy amin’ny radio sy fahitalavitra ao Taolagnaro , ka nohamafisiny tamin’izany ny fanampian’ny vahoaka amerikana, anisan’izany ny 2,1 tapitrisa dolara avy amin’ny Departemantan’ny Fiarovana ao Etazonia, izay nahafahana nanohana Malagasy maherin’ny 1,5 tapitrisa tamin’ny fiatrehana ny haintany ary nanavotana ain’olona maro nandritra ny hamehana sy ny mbola hanavotana fianakaviana maro amin’ny alalan’ny vahaolana lavitrezaka. “Nahita ny hakanton’i Madagasikara aho ary nahatsapa ny herim-pon’ny mponina izay nihaona tamiko ihany koa”, hoy ny Ambasadaoro. “Faly aho fa mbola afaka manampy an’i Madagasikara hiatrika ireo olana maro atrehany ireo hatrany ny governemanta amerikana. Ary mino aho fa indray andro any dia hanana fahafahana hitondra vahaolana maharitra i Madagasikara, mba hahafahan’ny Malagasy rehetra hanatsara ny fari-piainany bebe kokoa.” Nanomboka ny taona 2015, dia nanolotra vola mitentina 346 tapitrisa dolara ho an’ny fanampiana vonjy taitra sy ny fampandrosoana ho an’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara i Etazonia. Mifanindran-dalana amin’i Madagasikara toy ny “mpirahalahy mianala” i Etazonia ho fanamafisana ny fahaizan’ny Malagasy miatrika ireo mety ho hamehana ho avy.