NY TAHOTRA NO LEHIBE INDRINDRA

Disodisokely indray aho ry vahoaka Malagasy.
Asa raha ny kajikajiko no tsaroako ho tsy mirindra,
Fa na hoe voavidiko aza ireo bebaoty sy bebasy,
Hay ny tahotra rey olona, io no lehibe indrindra!

Miaina anaty tahotra aho na hitako aza sady tsapako
F’efa tena nohatevenina ireo natao hiaro ny aiko.
Tena tebiteby lava no iainako ao an-dapako.
Tahotra ny hoe hianjera no mibahana ato an-tsaiko!

Izay mihetsika rehetra toa mampihovitra ny foko.
(Tsy mba misy maminy amiko ny tontolo izay jerena!)
Ny mamiratra omaly, lasa tena niova loko.
Tonga matroka tanteraka, zary toa mahasorena!

… Hay ilay seza izay niriko, ilay nalaiko tamin-kery
Sy tsy tamim-pomba mendrika dia sy mitera-piadanana.
Tonga saina tampoka aho ka lasa te hiteny irery.
(Toy ny olona efa adala sy efa toa ondranondranana!)

IRINA HO TAFITA (09-08-22)