Menabe. Fitampoha 2022 – Tsinontsinoavin’ny fitondrana foibe ny kolontsaina Sakalava

Rajepa

Miditra amin’ny andro faha-6 amin’ny fankalazana sy fanatanterahana ny Fitampoha, fomban-drazan’ny foko Sakalava any Menabe ny any an-toerana amin’izao fotoana, izay hifarana ny faran’ny herinandro izao. Sambany teo amin’ny Fitampoha tsy nahitana minisitra, eny fa na dia efa nandefa fanasana aza ny fianakavian’ny Printsy, tsy hita ny minisitry ny serasera sy kolontsaina na dia solontena aza, tsy mba nanatrika ny fotoam-panokafana sy ny nanotrona ny Fitampoha, nefa dia isan’ny kolontsaina Malagasy sy haren’ny Malagasy ny Fitampoha. Toy izany koa ny minisitra Tinoka Roberto, izay mirehareha fa minisitra zanaky ny faritra Menabe sady minisitra mpiahy ny faritra Menabe ihany koa, nefa dia tsy mba nijery maso ny Fitampoha 2022 hatreto.

Ka velon-taraina ireo olom-boatendry sy olom-boafidy ary ireo vahoaka ato Menabe manoloana izao fihetsiky ny fitondrampan-jakana foibe izao, saingy tsy sahy manao antso avo noho ny politika, nefa na dia ireo vahiny avy any ivelany aza dia mahatsapa, fa zava-dehibe ho an’ny tantaran’i Madagasikara ny tantaran’ny foko Sakalava sy ny fanaovana Fitampoha, ka maro ireo mpizahantany no tonga aty Belo sur Tsiribihina, toa an’i Marco, izay avy any Italia dia nilaza mazava tsara fa isan’ny zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fananana ny fomban-drazana, izay miteraka fanamafisana ny fifankatiavana sy fahafantaran’ny taranaka aty aoriana ny tantara marina sy ny fototry ny fanjakana Sakalava.

Vory maro ato Menabe ny vahoaka sy ny mpizahantany aty Menabe, ka tsy maharaka intsony ny trano fandraisam-bahiny ; ireo mpivarotra koa dia samy mahazo ny anjarany avokoa, ka ankoatran’ny fomba amin’ny fomban-drazana ny Fitampoha dia tsapa fa mampivoatra sy mitondra fidiram-bola ho an’ny vahoaka ato amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina ihany koa ny Fitampoha.

Nandritra ny Fitampoha, nisy koa ny hetsika izay nataon’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana ato Menabe, izay nahitana fanaovana ny vaksiny COVID-19, ka vinavinaina ny hahavitan’olona arivo vaksiny mantritra ny Fitampoha ary eo koa ny fanaovana fitiliana ny VIH/SIDA, sy ny diabeta ary ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy bevohoka, sy ireo izay hanao fandrindram-piterahana, izay maimaimpoana avokoa.

Mitohy hatrany ny hetsika rehetra mandram-pahatogan’ny zoma, izay hampandroana ireo Dady (taolam-balon’ireo Ampanjaka). Isaky ny hariva ny fampisehoana, izay iarahana amin’ireo mpanakanto avy aty an-toerana sy ny groupe Souvenir de Miandrivazo, izay noentin-dRamatoa Solombavambahoakan’i Miandrivazo manokana, hanafana ny Fitampoha.