Fanambanana basy nataon-dRaholdina – Nitory eny amin’ny Antenimierampirenena ilay sefo fokontany

Stefa

Manoloana ilay raharaha fanambanana basy sy antsy nataon’ny depiote Naivo Raholdina ilay sefo fokontany, mitondra fanazavana ny mpisolovava ity sefo fokon,tany ity.
Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ny mpisolovava an’Andriamatoa RANDRIANANTOANINA Ny Nandrianina, ilay Sefo fokontanin’Analamahitsy. Tany tan-dalàna i Madagasikara, mbola tsy nitory izahay fa manaraka ny lalàna, hoy izy. Doleance na fitarainana tany amin’ny Filohan’ny Antenimiearampirenena no natao, satria manana ny “code d’ethique” izany Antenimiera izany, afaka mampiantso ny depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena raha misy ny fandikan-dalàna nataony, araka ny lalana art 73 alinea farany hoe afaka mi-saisir ny Antenimierampirenena raha ohatra ka misy olona manana tombontsoa ka voakitikitiky ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena.

Mbola miandry azy izahay hoe inona no valin-teniny, satria ilay “telephone” tazonin’ingahy Depiote no tianay alaina, misy ny mahakasika ny fiainan’Andriamatoa Andrianina manokana any sy ny asany. Manamafy Andriamatoa Andrianina, fa nisy ilay izy ary azo inoana izany, tsy ohatran’ny ambaran’ny filohan’ny fokontany 27, izay sady tsy tao an-toerana nefa milaza ny zavatra tsy hitany. Manamafy anefa izy ireo, fa fomban’ny solombavambahoaka ny maka ny findain’ny olona izay miresaka ao aminy, fa tamin’ity indray mitoraka ity tsy naveriny, tsy hay hoe nahoana. Tsy marina ny filazana fa taorian’ilay fanalana azy tsy ho, sefo fokontany no nitranga ity olana ity dia nororitina amin-javatra hafa, ka nilazana fa alahelo hoentina anenjehana ny solombavambahoaka, satria nanaiky ny fifandaminana ary vonona ny hanao famindram-pahefana ny filohan’ny fokontany Analamahitsy teo aloha, fahefana ho an’ny mpanatanteraka ny manolo ny sefo fokontany amin’izay fotoana tiany, na tsy misy antony akory aza.

Manamafy Andriamatoa Andrianina fa tena nisy ilay fanambanana antsy sy basy, izay ny fombany ary mampatahotra, lasa ohatran’ny hoe SHERIF ilay olona miaraka amin’ilay satroka sy basy , fa tsy solombavambahoaka intsony. Hametraka fitoriana izahay, ary tsy manana zo tsy handray fitoriana ny fitsarana, satria fanambanana basy sy antsy efa midika fikasana hamono olona. Ny fitazomana ny findain’olona dia efa halatra. Ny angatahanay dia atsaharo ny menace eny rehetra eny, dia avereno ilay findain’ilay sefo fokontany”, hoy ny mpisolovava Rasoloniaina Ramaromanana, mpisolovava ilay sefo fokontanin’Analamahitsy.