Filoha Ravalomanana – Mendrika ny fandraisan’ny ben’ny tanànan’Antsiranana azy

Isambilo

Nitsidika ny tany Antsiranana faritra Diana hatramin’ny omaly ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sy ny antoko TIM, ary amin’ny mpino nanana andraikitra azy tao amin’ny fiangonana FJKM ihany koa. Tamin’ny fahatongavany tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Arachart ny sabotsy, nahazo ny haja amin’ny maha anisan’ny ray aman-dreny eto amin’ny firenena azy ny filoha Marc Ravalomanana. Tonga nitsena azy tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Diego, ny ben’ny tanànan’Antsiranana Djavojozara Jean Luc, mendrika ny nandraisan’ity olom-boafidy ity ny filoha Ravalomanana nandritra izany.

Fa ankoatra izany, feno dia feno ny fandaharam-potoanany tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy izao, ny alahady niara-niombom-bavaka tany amin’ny FJKM Ramena Antsiranana faha-II izy, niatrika ihany koa avy eo ny fivoriamben’ny Dorkasy FJKM manerana an’i Madagasikara, izay natao tany amin’ny renivohitry ny faritra Diana.

Teny antsefantsefam-potoanany kosa no nisian’ny fihaonana tamin’ireo mpitarika ny antoko TIM, sy ny RMDM any amin’iny tapany avaratr’i Madagasikara iny.