Foulpointe – Mihena ny mpanao vakansy tonga noho ny faharatsian-dalana

Aly

Mihena amin’izao fotoana ny mpanao vakansy tonga any Mahavelona Foulpointe, distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana, noho ny faharatsian’ny lalana mihazo izany tanàna mahasarika mpizahatany sy mpitsangatsangana ary mpiala sasatra izany. Mitaraina ireo mpandraharaha momba ny fizahantany any an-toerana noho izany. Ambaran’izy ireo, fa miha-vitsy ny mpizahatany tonga any Foulpointe noho ny haratsian’ny lalam-pirenena faha-5.

Be ny fampanantenana nataon’izao fitondrana Rajoelina izao ny amin’ny ho fanamboarana izany lalana izany, saingy hatramin’izao potika tanteraka ity RN5 ity. Lalana tokony ho vita 45 min ka hatramin’ny ora iray, adiny roa ora sasany izany vao vita, na maherin’izany akory aza.

Saika hanao hetsika ireo mpandraharaha ara-pizahantany ao an-toerana ho fanairana ny fitondram-panjakana hamahana ny olana, saingy tsy tanteraka izany noho ny fandrahonana azon’izy ireo.