Julien Andriamorasata – Hanatsarana fifidianana ny fikaonandoham-pirenena fa tsy fitadiavan-tseza

Isambilo

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny mpikambana ao amin’ny Birao politikan’ny antoko TIM, sady ao amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, Julien Andriamorasata. Nambarany fa hanatsarana ny fitantanana ny resaka fifidianana no hanaovana ny fikaonandoham-pirenena, fa tsy fitadiavan-tseza velively. Diso ny fivoizana fa hatao fitadiavan-tseza no anton’ny hanaovana ny fikaonandoha nasiônaly, hoy ity mpanao politika ity. ”Ny fitantanana tsy mandeha eto amin’ny firenena, ny lalàna mifehy ny fifidianana, mila jerena miaraka izany, raharaham-pirenena no jerena. Mila mahafantatra ny mpitondra hoe inona no dikan’ny fikaonandoham-pirenena raha tsy hainy, fa tsy misy resaka fitadiavan-tseza velively. Ianareo mpitondra aza no tokony hanao an’io, fa aleo hataon’ny mpanohitra rehefa tsy mazoto ianareo, na tsy hihetsika koa aza ny FFKM dia aleo handeha io.”

Momba ity resaka fikaonandoham-pirenena ity, efa nilaza ihany koa ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse fa ilaina ny mifampiresaka eto amin’ny firenena, indrindra ny mahakasika resaka fifidianana, satria misy tsy nety amin’io fitantanana ny fifidianana io eto amintsika. Mila mihaino ny mpitondra hoy izy. Ny Dinika Iombonana ny herinandro lasa teo dia nanambara fa amin’ny tapaky ny volana septambra any no tokony hanatanterahana ity dinika nasiônaly ity, ka ho hita eo ny tohiny, satria tsy azo ekena ingtsony izany fifidianana misy hosoka izany eto amintsika, ka mpitondra tsy voafidim-bahoaka no mitondra dia avy eo mampijaly ny vahoaka izay tena tompon’ny fahefana.