FITAMPOHA 2022 – Tsy tonga any Belo Tsiribihina ny kabeson’ny Ampanjaka Toera

Rajepa

Niantomboka ny alakamisy faha 04 aogositra 2022 teo ny Fitampoha 2022, ka ny fikarakarana ny Zomba; nananganana ny takitaky, izay toerana natao fangatahan-tsodrano hamonoana ny omby mazava loha, no nanombohana ny hetsika ary nitohy tamin’ny tsimandrimandry, izay nahitana hetsika maro toy ny moraingy sy ny antsa Sakalava nitohy mandra-maraina.

Ny marainan’ny zoma no nentina nihazo ny tora-pasika ireo taolam-balon’ny Ampajaka sy ireo fitaovana izay tao anaty Zomba, ka nitohy teny ny fanaovaka hetsika ara-kolontsaina Sakalava. Ny lanonana rehetra dia teo ambany fiahian’ny Ampanjaka Kamamy Magloire, izay Mpanjakan’i Menabe ankehitriny.

Ny Fitampoha dia fomba fanajana sy fomba fahatsiarovana ny Mpanjaka, izay efa nodimandry ary entina ihany koa angataham-pitahina, satria ho an’ny foko Sakalava dia raisin’izy ireo ho toy ny olo-masina ireo Mpanjaka efa niamboho. Natao koa ny Fitampoha, mba hivorian’ny Sakalava manerana ny lafivalon’ny Nosy. Raha ny Fitampoha moa dia efa fomba fanao taloha isan-taona no nanaovana azy, saingy noho ny fanjanahantany satria hitan’ny vazaha fa isaky ny avy manao Fitampoha dia miha-matanjaka ny foko Sakalava, ka nanomboka ny taona 1948 dia lasa isaky ny folo taona ny fanaovana ny Fitampoha, fa nanomboka ny taona 1988 dia natao in-droa isaky ny folo taona, ka indrainday enin-taona indraindray efatra taona, satria tsy azo atao amin’ny taona isa tsy ankasa ny Fitampoha.

Vory maro ny vahoakan’i Belo sur Tsiribihina, izay notronin’ireo solontenam-panajakana ato Menabe, notariahan’ny Prefet an’i Morondava sy ny governoran’ny faritra Menabe, sy ireo solontenan’ny Ampanjaka manerana ny Nosy.

Raha ny zavatra nisy dia nirian’ny vahoakan’ny Sakalava ny hiverenan’ny Kabeson’ny Ampanjaka TOERA tamin’ny Fitampoha ity, saingy indrisy fa tsy tratra izany noho ny antony tsy fantatra. Mazava loatra raha tsiahivina ny tantara dia tamin’ny fotoana nanjakan’ny Mpanjaka Toera tamin’ny vanim-potoana nidiran’ny vazaha nanjanaka an’i Madagasikara dia niditra tao Menabe ireo mpanjanaka ary nanafika tao, ka resy ny fanjakana sakalava ary nasaina nanao Sonia taratasy fifanekena manaiky ny fahareseny sy atao babo ny Mpanjaka Toera, saingy naleony notapahin-doha toy izay nanaiky babo, ka dia notapahin’ireo vazaha ny lohany ary nentiny tany ampitan-dranomasina any amin’izy ireo natao porofo, fa babon’izy ireo ny Sakalavan’i Menabe ary mbola any hatramin’izao, izay nokasaina ho azo ary nampidirina tao amin’ny Zomba tamin’ity Fitampoha ity, saingy mbola misy dingana tsy vitan’ny fanjakana ka tsy nahatratrana izany. Koa ahian’ny maro ny hanaovan’ny fanjakana fitaovana politika ity kabeson’ny Ampanjaka Toera ity, ka hiandrasany amin’ny 2023 vao halaina ity Kabeson’ny Ampanjaka ity. Na izany na tsy izany, tsy fahombiazan’ny ministeran’ny kolontsaina tarihan’ny ministra Lalatiana Andriantongarivo indray, izao mbola tsy fahatongavan’ny kabeson’ny Ampanjaka Toera an-tanindrazana izao.