Analamahitsy – Nanondrana indray ny depiote Naivo Raholdina

Niaina

Nanondrana indray ny depiote Naivo Raholdina, mahakasika ny raharaha fokontany Analamahitsy, ao amin’ny Boriboritany faha-5 eto Antananarivo Renivohitra. Efa mampiaiky ny maro mihitsy ny hafokana sy ny fanamparam-pahefana ataon’ity solombavambahoaka mpiara-dia amin’ny fitondrana ity.

Mahakasika ny raharaha fokontany Analamahitsy, nanao taratasy fitarainana Andriamatoa RANDRIANANTOANINA Ny Andrianina, sefo fokontany Analamahitsy, noho ny zava-nitranga taminy ny alarobia 2 aogositra 2022 lasa teo. Nambarany fa:

”nampanantsoiny teny amin’ny biraony teny Ambondrona ny tenako tamin’ny 3ora sy sasany hariva. Vao tonga ny tenako dia nalain’ilay “assistante” daholo ny finday rehetra taty amiko. Efa nisy olona vory lanona tao, ary tao ny lefitrako, izay nampiakariny ho sefo fokontany ho eo amin’ny toerako. Ny komitim-pokontany izay notendreny ho lefitry ny sefom-pokontany. Ny mpitam-bola sy mpitan-tsoratra, ny sefo fokontany Nanisana sady filoha lefitry ny 27 fokontany, boriborintany faha-5, niaraka tamin’ireo “assistants paelementaires”. Izaho anefa tamin’io tsy salama. Tonga dia nambaran’Andriamatoa Solombavambahoaka Naivo Raholdina, fa tsy sefo fokontany intsony aho, ary nasehony ny taratasy “abrogation” ny nanendrena ahy. Izaho moa tsy nanisy olana.

Nasainy nody ny lefitro sy ilay komity, fa izaho nasainy niandry, ilay mpitan-tsoratra nasainy nankao ambadika ary naheno ny resaka rehetra. Nangataka fanazavana aho saingy ompa sy fandrahonana avy hatrany no azoko, ary niafara hatramin’ny fikasihan-tanana, avy eo namoaka antsy tao anaty tiroir izy, ka nataony teo amin’ny tendako. Tsy afa-po anefa izy fa nalainy ny basy, ka nambanany teo amin’ny lohako sady niteny izy hoe: “DEPUTE DE MADAGASCAR NY TENAKO, TSY AZO GADRAINA SY TSY AZONAO ATAO N’INON’INONA, NA DIA TIFIRIKO VONOIKO ETO AZA IANAO, DIA MANANA NY IMMUNITÉ-KO SY NY MAHA IZY AHY IZAHO. RAJOELINA IHANY NO ATAHORAKO FA ANKOATR’IZAY, JE M’EN FOUS. Haparitako eto ny atidohanao fa ataovy tsara, izahay koa efa manana dossier maro momba anao, fa afaka gadraiko sy potehiko ny hoavinao raha izay no tadiavinao”. Izaho tsy namaly, naheno sy nanatri-maso ny assistante sy ny mpitantsoratra ary sefo fokontany Nanisana, fa ireo tsy hijoro vavolombelona. Nosavainy ny telephone-ko ary nosavainy daholo ny sary sy video an’ny « vie privée »-ko ary ny documents rehetra any ary lasany any ny findaiko 1. Nomeny baiko daholo, ireo olona teo ireo sy ny TGV ao amin’ny boriborintany faha-5 mba hi-bloquer ahy ao amin’ny Facebook, fa hoe hoesoriny izay tratra mbola miresaka amiko.

Mangataka aho ny hamerenana ny findaiko, ary nataoko, ity taratasy ity mba tsy hisian’ny arakaraka, hoy ity sefo fokontany niharan’ny tsindry hazolenan-dRaholdina ity. Milaza izy fa tsy tompon’andraikitra amin’izay hataony na zavatra havoakany, indrindra amin’ny facebook na ny dossier mivoaka avy ao. Tena mila handraisana fanapahan-kevitra izao zavatra tsy rariny ataon’ny depioten’ny IRD Boriboritany faha-5 izao, aoka tsy hisy ny mizana tsindrin’ila amin’ny fampiharana lalàna, na manana zo tsy azo enjehana azy ny depiote, tokony hojerena izao fitarainana izao, fa mety ho lasa fomba fanaon’ity depiote tsy maty manota, manaotao foana ity.”