Antalaha – Sekoly mbola tsara noravaina hanaovana manara-penitra hono

Stefa

Gaga sy talanjona ary malahelo ny mponina any Antalaha faritra Sava amin’izao fotoana, noho ny hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Trano sekoly miisa 3 mbola tsara azo ampiasaina any an-toerana no noravana fa hoe hanaovana sekoly manara-penitra hono. Ny EPP Ambatomitraka Antalaha io voalaza fa hanaovana sekoly manara-penitra io.

Tao Antalaha rehefa tsy nahita toerana amoron-dalana ny tompon’andraikitra any an-toerana dia narodana ny bâtiment vita tamin’ny andron’ny CRESED, izay mbola azo ampiasaina tsara, satria natao, mba ho hitan’ olona mandeha Sambava amoron-dalana.

Maro no naneho hevitra momba ity raharaha ity, maninona tsy natao amin’ny toeran-kafa. Matahotra ny maro sao ho toy ny Gymnase couvert; terrain manarapenitra, izay nahena ary tsy vita tsara fa norakofana tapis fotsiny. Ny Oniversite izay mbola tsy vita fa efa lokoina orange, babangoana eo, ka izany no ahiahy mipetraka any Antalaha amin’izao fotoana.