IREO MPANOHANA ANDRY BOBOKA

Ity ilay manamboninahitra voky vola ve no henoina,
Sa ‘lay solombava sampona tia miseho na dia tsy antsoina?
Ny an’ireo anie mazava f’efa tsisy andrasana aminy,
Fa dia ny fisolelahana, izay no ahitany maminy!

Izy ireo dia mahatsikaiky sady tena mampihomehy,
Fa tena sangany amin’ny “halako na ny bika na tarehy”!
Ka raha vao “fofona mpanohitra” no injay fa henonkenony,
Dia toa toy ny akoho fantaka no fisehony sy fanenony!

Tonga fofona avy hatrany ry vazimba be kabary,
Raha vao ‘njay voakitikitika ity ilay hoe volomboasary,
Ary io fa miboredika sy mipitipiti-drora.
(Moa mba saininy va re ireo olo-maro manakora!)

Ilay “saika maty an-drano indray” dia toa mirifatra tsy tana,
Ka dia lasa kilalaon’ireo mpanongam-panjakana.
Aminy izay “mihetsiketsika” dia lazainy fa “mpanongana”.
Be galona ny toa azy sa dia tena “sary vongana”?

…Mba hevero izay hatao dia mba amboary koa ny toetra,
F’aza faly hihosinkosina amin’ny maimbo sy voretra.
Ny efa lo dia ‘ndeha ialao, aza andaniana ranomanitra,
Raha mihevitra ny tena ho mahay na koa maranitra!

DADAN’i RIANA (04-08-22)