Naivo Raholdina – Depiote misimisy kely sy misavoamboana

Ny Valosoa

Tsy misy tsy gaga sy variana ny rehetra tamin’ny fanambarana nataon’ny depiote Naivo Raholdina, tamin’ny fahitalavitra tsy mainkina iray tamin’ity herinandro ity, fa ny Filoha Marc Ravalomanana, Neny Lalao Ravalomanana ary Rina Randriamasinoro, no tompon’antoka tamin’ny korontana tao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ny faran’ny herinandro teo. Izany no tonga amin’ny fitenin-jatovo amin’izao fotoana hoe: ”inona no idiran’ny vitsika amin’ny petrole?” Tena lainga marivo tototra sy tsy mitombina mihitsy no nambaran’ity depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana ity. Sary efa tamin’ny taona 2019 naha-ben’ny tanàna an’i Neny Lalao Ravalomanana, nivavaka tetsy Ankorondrano no nasehony ny mpanao gazety hoe porofo, izany no tena hoe: ”depiote misimisy kely sy misavoamboana mihitsy”, ity solombavambahoakan’ny Boriboritany faha-5 ity, raha ny zavatra nambarany io no jerena sy dinihana.

Ankoatra izany, misy ny fandrahonana ireo mpino amin’izao fotoana, izay mitsipaka ny voka-pifidianan’ny filankevi-pitantanan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy hoy ireo mpino. Nambaran’izy ireo fa olona 6 no efa namoahana didy fambisamborana. Tsy ny Filoha teo aloha no niteraka korontana hoy ireo mpino, fa ireo izay nampiditra ny Resaka Politika tao anatin’ny raharaham-piangonana ary tsy afa- miala amin’izany ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina, satria izy no isan’ny nanao tsindry nivoahan’ny récépissé nanambara fa nahazo fankatoavana ny voka-pifidianana.

Mbola niteny ihany koa ny tao amin’ny Atitany hoe “Tsy afaka mamoaka ny récépissé izahay hoy izy ireo, satria misy opposition na fanoherana io fifidianana io ary nahafantatra ihany koa izahay fa nisy sursis izay voapetraka tany amin’ny Conseil d’Etat, na ny filankevi-panjakana.

Mahita ny mpino fa decision arbitraire, na fanapahan-kevitra tsy mitombina no navokan’izy ireo nahatonga ny fikorontanana ary ao ambadik’io na inona na inona ho lazaina etoana dia tsy afa-miala mihintsy Andriamatoa depiote, satria izy no nanao tsindry nivoahan’ity récépissé ity.

Ny Huissier an’izy ireo nanomboka ny alatsinainy hatramin’ny alarobia, no nandrasana mba hihaona hanao ny confrontation an’ilay PV miaraka amin’ny Huissier anay fa tsy tonga ry zareo.

Voatery ny Huissier anay nanao an’ilay PV, tsy azonay ny PV avy any amin’ny Huissier raha tsy ny alakamisy hariva, iny andeha hoentinay any aminy “Interieur” iny dia efa namoaka publication ry zareo hoe “azony ny Récépissé”.

Ilay olona izay miteny hoe Mpanao Politika ny ao ambadika, na tsy mahafantatra tantara na minia mandiso ny tantara ka mampiditra politika amin’ny fiangonanay. Inona moa ny tsy intervention nataon’ity depiote ity ary manindry atsy manindry aroa ary sahiny ny milaza hoe “anay ny Fanjakana”.

Tsy azo atao ny manendrikendrika olona raha tsy misy porofo, fa eto ve izay afaka miteny dia miteny, izay manam-pahefana dia afaka miteny izay tiany holazaina?

Any amin’ny Politika no anaovana an’ izany, fa tsy aty amin’ny fivavahana hoy ihany ny fanambarana.

Izahay tsy hanaiky raha tsy miseho ny fahamarinana ary ambaranay ho ren-tany ho ren-danitra fa hijoroanay ny fahamarinana, hoy ihany ny solontenan’ireo mpino.

Nilaza ny Komity mpikarakara ny fifidianana teo anivon’ity fiangonana ity fa “nisy fotoana ity solombavambahoaka ity nilaza fa izy dia Pentekôtista Mitambatra, ny mpino amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy dia manana karatra maha mpino azy.

Izy milaza fa mpivavaka ato ary manana karatra ilay miloko fotsy, ny karatra miloko fotsy dia karatra efa tany aloha, fa tsy amin’izao intsony.