Fiainam-pirenena – Kenda foana ny mpitondra vao domy ao ranaotra

Andry Tsiavalona

Tsapa amin’ny tranga eo amin’ny sehatra rehetra, fa efa tafiditra ao an-trano ny loza vao mikoropaka mitady iarovan-tena Rajoelina Andry sy ny ao an-dapa. Tsy ny mpitondra irery anefa no iharan’izany fa hatramin’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo izay tena mitondra faisana tokoa. Tsy vao tamin’ity taona ity no niainana izany fa efa nanomboka tamin’ny taona 2020.

Tsy rototra ny mpitondra raha nananontanona ny valanaretina covid-19, ka tsy nanaiky nanidy ny sisintany satria tsy mafy noho “cholera” sy ny “peste” hono. Rehefa nisy tokoa ny tranga dia mbola nilaza indray Rajoelina Andry, fa efa nahita fanafody nentina niady tamin’ny valanaretina (CVO), izay namafisin’ilay mpaminany sandoka avy any Brésil, ka sahy nanamafy ny filohan’ny Repoblika fa hitodika aty Madagasikara daholo hono ny mason’izao tontolo izao. Niha-mafy ny fihazakazahan’ny aretina ka nandeha teny amin’ny orinasa afak’haba iray nanery azy nanjaitra aro vava sy orona.

Tsy vitan’izay fa nandadilady tany amin’ny mpiara-miombonantoka nangata-bola. Na teo aza ny vava tsy ambina na amin’ny 2030 na 2050 na 2060 aza tsy handroso Madagasikara raha mbola ireo mpamatsy vola mahazatra ireo no hianteherana dia ny vahoaka Malagasy no nojeren’ireo mpamatsy vola mahazatra, ka nanome fanampiana efa ho iray miliara ariary izy ireo. Ny vava tokoa no tsy atao be satria ny mamerina azy no sarotra hoy ny fahendrena malagasy.

Na izany na tsy izany dia tsy mbola mazava ny nandanian’izao fitondrana izao ny vola, ka nahatonga ny Banky Iraisam-pirenena nitaky ny fomba nandaniana izany. Tsy mbola fantatra ihany koa izay tohin’ity raharaha ity, satria tsy sahy manambara ampahibemaso ny mpitondra na nanao izay notakiana taminy na tsia. Tsy nahavaha olana ny “vatsy tsinjo”, ny “tosika fameno” sy ny “tsena mora” ary ny fizarana hani-masaka tany Atsimo fa niha-nahantra ny roambisivifolo isan-jaton’ny vahoaka Malagasy. Nisy mihitsy aza tany amin’ny Faritra tany ny fizarana vary tamin’ny boatina madco sy menaka tamin’ny kapisily.

Nidangana izay tsy izy ny vidim-piainana, indrindra fa ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Nikoropaka indray ny tao an-dapa ka nanambara fa hanafatra ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro amina sambo roapolo, ka hivarotra vary dimanjato sy arivo ariary ny kilao. Misy tokoa ny vary arivo ariary amidy eny amin’ny Fokontany indraindray, fa tsy mahavaha olana ireny satria ferana ny azon’ny karnem-pokontany iray. Nampiakarina ny karama farany ambany any amin’ny sehatra tsy miankina, nasondrotra dimy, teloambinifolo, dimy ambiroapolo isan-jato ny karaman’ny mpiasam-panjakana nanomboka ny volana Mey lasa teo. Amin’izao fotoana izao dia nisondrotra ny vidin’ny solika, niakatra ny saram-pitaterana, miakatra efa ho zato isan-jato ny vidin’ny legioma eny an-tsena.

Hanafatra “bus moderne” indray hono Rajoelina Andry. Tsy vahaolana amin’ny fisondrotry ny vidimpiainana anefa izany sady tsy hampidina ny saram-pitaterana. Nisy vono olona mahatsiravina tany Ankazobe ny faran’ny herinandro teo ka nikoropaka indray ny mpitondra ary nidina tany an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nisy ny voasambotra fa ny tena atidoha kosa karohina ary homena volabe roapolo tapitrisa ariary izay mampita vaovao momba azy. Efa fantatra ilay olon-dratsy ka nahoana no tsy ampiasaina ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany kanefa na ny minisitra aza efa nilaza fa mety ho valifaty iny fanafihana iny ary na ny mponina sisa tsy namoy ny aina aza efa nitsoaka niala tao amin’ny tanàna.

Tsy mbola maty ao an-tsain’ny Malagasy ny tranga tany Andranotaratra, Faritra Sava, kanefa dia tsy mbola fantatra ny tohin’ny tantara ary asa raha efa niverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina any an-toerana satria nisy ireo nosamborina tamin’izany. Miparitaka maneran-tany indray ny “variole du singe” kanefa milaza ny mpitondra fa tsy mbola atahorana izany eto Madagasikara. Toy izany hatrany eto amin’ity Firenena ity, mitokona ny atsy fa tsy mandray karama amam-bolana maro. Mitokona ny eroa fa tsy misitraka ny zony voafaritry ny lalàna, ka tsy ho ela dia ho kendan’ny vomanga nasesiky ny tànana ihany izao fitondrana izao.