Jeneraly Serge Gellé – Tsy mankasitraka fanonganana nefa miaro mpanongam-panjakana

Stefa

Mahavariana ny mpanaraka politika ihany ny fanambarana nataon’ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena: SEG, ny jeneraly Serge Gellé, raha nihaona tamin’ny solontena avy amin’ny Firenena Mikambana. Izany tokoa ve ny hoe: “diso misolelaka loatra!”

Hoy ity manamboninahitra jeneraly ity: ”efa samy nampiasa zandary avokoa hatramin’ny andron’i Ratsiraka Didier, ny mpanao politika eto Madagasikara, fa ny tsy azo ekena ary tsy ho ekeko velively ny fikasana hanongam-panjakana. Raha tsy tiana ny mpitondra dia ampiasao ny rafitra demôkratika toy ny Antenimiera, HCC, fa tsy fanakorontanana eny an-dalambe no atao hanongananana ny mpitondra. Aza adino koa fa misy ny tsy te hanongana” hoy izy.

Tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana izany ny SEG, fa miaro kosa ny mpanongam-panjakana. Mpanongam-panjakana i Andry Rajoelina tamin’ny taona 2009, izay no nahazoany fahefana tamin’ny tetezamita. Mbola karazana fanonganam-panjakana ihany koa ny nataony sy ny mpiara-dia aminy tamin’ny taona 2018, tamin’ny fisian’ny “doublon” tamin’ny fifidianana, ary efa namafisin’ny filoha lefitry ny CENI tamin’izany Thierry Rakotonarivo io. Rehefa diso miaro seza loatra ry SEG dia lasa miteniteny foana tsy am-pandinihana koa, toy ilay “Tapak’amponga kely” izay.