Vovonana Gasy Leo – Miantso ny HCC hampiato ny filoha Rajoelina amin’ny asany

Franck Razakambelo

Nifamotoana tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana avo momban’ny Lalam-panorenana (HCC) Ambohidahy, ny alakamisy maraina teo, ny mpikambana ao amin’ny vovonana Gasy Leo, nanatitra taratasy ho fampahafantarana ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ity Andrim-panjakana ity, ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana nataon’ny fitondram-panjakana tarihan’ny filoha Andry Rajoelina, izay fototra mahatonga an’izao fahantrana lalina eto amin’ny firenena izao. Nilaza i « L’homme Noire » mpikambana ao amin’ny vovonana fa andininy ao amin’ny Lalam-panorenana voahitsakitsaka miisa 10, no naterin’ireto farany tetsy Ambohidahy ary mitaky ny fandraisana andraikitry ny HCC ireto farany, mba handray fepetra manoloana an’ireo fandikan-dalàna misesisesy nataon’ny mpanapa-kevitra, tarihan’ny filoha Rajoelina, hatramin’izay nandraisan’izy ireo ny fahefana izay.

Nanamafy i « Rah-Ckicky » mpikambana ao amin’ny vovonana Gasy Leo, fa tsy maintsy manaraka ny lalàna velona eto amin’ny firenena, amin’ny fanatanterahana ny fitakiana ho fanesorana ny filoham-pirenena sy ny mpanara-dia azy ny vovonana ary nosantarina amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny zavamisy amin’ireo Andrim-panjakana sy ny fiarahamonim-pirenena isan-tsokajiny izany hetsika izany.

Nanohy fanazavana i « Rah-Ckicky », fa miankina amin’ny valin-kafatra ataon’ireo Andrim-panjakana ireo, no hirosoana amin’ny dingana manaraka eo amin’ny fitakiana ny fialan’ny filoham-pirenena ary mola hitohy ny fitetezana an’ireo Andrim-panjakana ireo, amin’ny fametrahana ny taratasy fampahafantarana ny fandikan-dalàna nataon’ny mpitondra. Aorian’izay no miandry am-pitoniana ny valin’ny fangatahana ny vovonana Gasy Leo ary tsy maintsy hiafara amin’ny tatitra hataon’ny vovonana amin’ny vahoaka Malagasy izany rehetra izany.

Manao antso avo an’ireo vondron-kery rehetra mitovy fijery aminy, mba hiray hina ny vovonana Gasy Leo, manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ary miantso fifampiresahana avy amin’ny fitondram-panjakana, miaraka amin’ny vondron-kery rehetra, hitady vahaolana manoloana ny fivoaran’izao krizy mianjady amin’ny firenena izao.