Hetsika fanavotam-pirenena – Hatao isaky ny sabotsy ao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka

Niaina

Nanambara ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM tamin’ity herinandro ity, fa ho atao isaky ny sabotsy ny hetsika ho fanavotam-pirenena, mandra-paha avotra ny firenena, mandra-pisian’ny fifampiresahana ho famahana miaraka izao olana lalina misy eto amin’ny firenena izao, noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Rajoelina.

Nilaza ny RMDM, fa noho ny tsy fahazoan’izy ireo alalana no antony tsy namelana azy ireo hiditra tao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka ny sabotsy lasa teo. Nanatontosa izany fahazon-dalana izany izy ireo ary nilaza ny mpitondra teniny fa: « raha ny tsy fahazoan-dalana sy ny tsy fampahafantarana no antony hanakanana ny hetsika dia ataonay izany, ka mino izahay fa hahazo valiny mahafapo avy aminareo tompon’andraiki-panjakana »”

Ny tsy fampidirana ireo vahoaka marobe tao amin’ny kianjan’ny Finoana ny sabotsy lasa teo iny dia midika, fa toa manosika ny olona hidina an-dalambe ny mpitondra. Efa vonona ny hihaona tao amin’ny kianja mifefy izy ireo, tsy navela hiditra tao, noho izany ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana ihany no toa manery azy ireo hanao hetsika an-dalambe. Ny hetsika toy ireny dia ahitana fanetsehana mpitandro filaminana marobe hataon’ny fitondrana hatrany, ka raha hisy isaky ny sabotsy ny hetsika fanavotam-pirenena, ho lany volabe eo foana ny fitondrana hanakaramana mpitandro filamianana, fitondrana efa tsy manambola io anefa. Ka dia heverina fa tsy maintsy hiafara amin’ny fileferan’ny fanjakana ihany izao hetsika izao, iza tokoa no tsy ho avy raha ho fanavotam-pirenena izany no hetsika hatao?