Fifidianana ben’ny tanàna tsy vita – Misy kaominina atao Zanak’Ikalahafa eto amintsika

Sôh’son

Mandeha letrezana fotsiny izao sisa no ataon’ny fitondrana ho amin’ny fizorana mankany amin’ny fifidianana. Misy tsy fahatomombanana anefa izany na dia mbola aty amin’ny volana maro hahatongavan’izany aza. Minia mikimpy fotsiny izao ireo tompon’andraikitra rehetra isan-tsokajiny voakasik’izany, na ny filohan’ny Repoblika na ireo ministera voakasika, na ny miandraikitra ny fifidianana, ary indrindra ny rafi-pitsarana toy ny Hcc. Iray lehibe amin’izany ny tsy fahavitana mihitsy hatreto ny fifidianana ireo Ben’ny tanàna amin’ny kaominina maro. Odian-tsy hita fotsiny izao ve izany, atao mandeha ho azy? Tsy norahirahiana izany ve ny kaominina sasany eto amin’ity Nosy ity? Misy atao Zanak’Ikalahafa na anaovana kajikajy politika indray? Ny any amin’ny misy Ben’ny tanàna aza amin’ny tanàna sasany mbola misy olana ara-pitantanana ihany, mainka fa any amin’ireo banga ireo, hilamina sy hizotra ve ny raharaha?

Raha hiatrika fifidianana izany, tsy mitovy ny tsipika hiaingàna manerana ny Nosy. Amin’ny fomba ahoana no hieritreretana fa hadio hangarahara sy ho marina ny fifidianan-ko avy? Tamin’ny fotoana nilamina aza, tamin’ny nitondran-dRajaonarimampianina, mbola nipoitra ihany ny tsy fahatomombanana toy ny fisian’ny “doublon”, mainka fa ny teo-javamisy amin’izao fotoana izao? Manao teny amboletra fotsiny ny mpisolelaka sy mpiaro izao fitondrana izao milaza amin’ny mpanohitra hoe: miandrasa fifidianana. Mazava loatra, fa tsy mandeha ho azy izany teny izany ho an’ny mahataka-javatra sy mahalala tsara ny fandehan’ny fitantanam-pirenena eto. Mbola hadisoana indray, sy fandraikiraikana raha mbola voafitak’izany ny mpanohitra, satria efa nitranga izany tamin’ny fotoana niarahan’ireo depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey ireny nentina naminganana ny fitondrana Rajaonarimampianina tamin’ny fotoan’andro.

Mbola mitoetra tsara ilay fomba fitenenana malagasy mirakitra fahendrena lalina hoe: “ny ahiahy tsy ihavanana”. Raha miresaka fihavanana koa anefa, izao fitondrana izao, tsy mivaky loha firy amin’izany. Porofo mitohoka amin’ny tendany amin’izany ny tsy firahirahiana ireo gadra politika mitaky ny fampihavanana miaraka amin’ny CFM, sy ny fanonerana ny onitr’izy ireo. Tsy olana ho azy raha hizotra amin’izao fotsiny tsy vita fampihavanana ny fiaraha-monin’ny mpiray tanindrazana. Indraindray aza alaim-panahy hieritreritra ny mpandinika hihevitra fa mampiasa ny politikan’ny mpanjanatany ny fitondrana ny amin’ilay politika maloto hoe: “zarazarao hanjakana”. Raha resaka fifidianana, mbola maro ireo teboka tsy milamina tsy mampisy fitokisana ny olom-pirenena maro. Manao solomaso mainty anoloan’izany ny fitondrana.