Tsy nandray karama 9 volana – Mampalahelo fa anaovana telethon ny mpiasan’ny SECREN

Niaina

Mampalahelo tokoa ireo mpiasan’ny Secren any Antsiranana faritra Diana amin’izao fotoana, tsy nandray karama 9 volana izy ireo, noho izay antony izay, nisy nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny tsipaipaika na telethon, ho an’ireo mpiasan’ity orinasa ity manoloana ny Lapan’nhy Tanàna any Diego.

Araka ny fanambarana voaray avy any an-toerana: “mila vonjy ny mpiasan’ny Secren, fa tsy nahazo karama efa 9 fanjava izay.Tsy hay koragniny eky ny hamaroan’ny trosa ho an’ny isam-pianakaviana, ny zaza tsy mianatra voaroaka amin’ny ecolage, ny jiro sy rano tsy voaefa, ao ny voaroaka amin’ny trano noho ny tsy fahafahana magnefa fondrontrano na hofantrano, tsy vitsy ny mitambatambatra amin’ny toerana araiky, raha tsorigny mazava dia traboiny ny fianakavian’ny mpiasa maro an’isa ao amin’ny Secren, ka tsy fidiny fa voaterin’ny zava-misy ny nanaovana voin-kava-mahatratra na telethon, nanomboko niany ty devant Hotel de Ville hatramin’ny dimanche 7 Août 2022.”

Nampihetsi-po ny voin-kava-mahatratra nanomboka omaly tany Diego ity, tsy vitsy ny efa nandray anjara ho fanampiana ireto mpiasan’ny Secren ireto, araka ny feo voaray tany an-toerana, tena potehan’ny fitondrana Rajoelina sy ny ekipany ity orinasa ity.