Raharaham-pirenena – Tsy ho azo ihodivirana ny fikaonandoham-pirenena

Niaina

Tontosa ny sabotsy teo, tetsy Tsiazotafo, ny andiany faha-2, amin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena hatao eto amintsika, nantsoina hoe: « Dinik’asa Iombonana », mialohan’ny tena fikaonandoham-pirenena hatao tsy ho ela; izay tsy azo ihodivirana ihany koa, satria samy efa nanambara, na ny fianakaviambe iraisam-pirenena, na ny mpanao politika, na ny ray aman-dreny am-panahy, na ny fiarahamonim-pirenena, eny fa na ny filohan’ny CFM: Filankevitry ny Fampihavanana malagasy aza,… fa tsy azo ihodivirana, na tokony hatao ny fifampiresahana eto amin’ny firenena, satria ny hevitry ny maro maha-taka-davitra ho famahana izao krizy lalina mihàtra amin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao.

Ho fiomanana amin’izay fikaonadoham-pirenena izay, namaly ny antso ireo fikambanana, sendika sy antoko politika samihafa,… ny sabotsy teo ary feno hipoka ny trano tetsy Tsiazotafo.

Fehin-kevitra nandritra izany ny hoe: « Amafisina ny antso atao amin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara), sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary ireo rantsana voalazan’ny lalampanorenana (CFM, HCDDED) hanampy sy hanamora ny fikaonandoham-pirenena.

Entanina ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana samihafa izay handray anjara, mba hanomana mialoha ny sosokevitra avy amin’izy ireo izay hodinihana amin’izany. Ho tsara kokoa raha voaray mialoha ny sosokevitra avy amin’izy ireo izay hodinihana amin’izany. Ho tsara kokoa raha voaray mialoha eo amin’ny komity iombonana araka ny tetiandro voalaza etsy ambany. Kendrena hampidirina amin’ny fivoriana faha- 2 amin’ity taona ity eny amin’ny Antenimiera roa tonta ny ho fehin-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena araka izao tetiandro manaraka izao: hatramin’ny fiandohan’ny volana septambra 2022: fanangonana ny sosokevitra. Tapabolana faha-2 amin’ny volana Septambra 2022 ny fikaonandoham-pirenena.