Association Gasy Miara-Mandroso (AGMM) – Manana sosokevitra momba ny olan’ny Jirama sy ny angôvo

Aly

Manana soson-kevitra momba ny olan’ny Jirama sy ny resaka angôvo Profesora Narison Stephan, avy amin’ny AGMM, na Association Gasy Miara-Mandroso, manam-pahaizana Malagasy any ivelany eo amin’ny sehatry ny angôvo nokleary sy ny sehatry ny angôvo avo, na Physique des Hautes Energies.

Amin’izao tranga misy eran-tany izao dia mila môdely vaovao ny fitantanana ny Energie na ny angôvo anisan’izany ny hialana amin’ny fampiasana ireo Groupe Electrogene (Energie Thermique), izay mambotry ny firenena, satria voatery miankina amin’ny gazoala (Gas Oil) nefa mampatavy ireo mpamokatra. Miteraka pollution na fandotoana koa ny Centrale Thermique ary efa miala amin’io ny firenena rehetra iarovana ny tontolo Iainana. Izany hoe tsy vahaolana maharitra ny hanomezana huile lourde sy Gas-Oil avy ao Tsimiroro sy Bemolanga ho an’ny Centrale Thermique, fa vahaolana vonjimaika fotsiny ihanhy. Azo hanaovana zavatra hafa ireo vokatra ireo (goudron, gas oil ho an’ny fiara,…).

Ho an’i Madagasikara izay be mponina any ambanivohitra dia ny Energie Solaire, na angôvo avy amin’ny masoandro, no vaha olana haingana. Ny angôvo avy amin’ny rivotra, na ny eolienne sarotra kojaina ary tsy mandeha rehefa misy ny cyclone. Ny kit solaire dia depannage fa tsy vaha-olana maharitra, satria mitondra jiro fotsiny solon’ny labozia sy lampe à petrole, fa tsy mahazaka fitaovana iasana. Parc solaire maromaro toy ny ao Ambatolampy no ilaina ary four solaire koa.

Ny eto an-drenivohitra sy ny Orin’asa lehibe dia mila Centrales matanjaka hampihodina azy sy hialana amin’ny delestage. Misy ireo projet Centrales Hydrauliques (Sahofika sy Volobe) efa vita Sonia, nefa mbola mihantona hatramin’izao.

Mila mailo koa amin’ny fiovan’ny toetr’andro, fa raha maina ny renirano dia tsy misy angôvo avy amin’ny Centrales Hydrauliques ary tsy maintsy mijery koa solutions alternatives. Anisan’izany ny Mini-Centrale Nucleaire, izay efa natsaraina (zero pollution, securité, traitement dechets) ary tsiahivina fa manana Uranium i Madagasikara hanaovana an’izany. Tsy lafo noho i Sahofika ny hanaovana azy nefa ny hery azo amin’ny turbine iray dia avo 3 heny ary vita anatin’ny 7 taona ny installation.

Misy koa ny Hydrogene izay tsy mandoto ny tontolo iainana sy ireo Stations marines (maree motrice sy houlomotrice), izay azo hampiasana koa hanalana ny sira amin’ny ranomasina ho rano fisotro (kere any atsimo) ary tsy mila mitarika pipe-line km maromaro. Ao koa ny recyclage dechets (methanisation), ny bio-ethanol ary ny geo-thermie.

Betsaka ny solutions hialana amin’ny fijalian’ny Gasy amin’ny rianaratra ary mifameno daholo ireo solutions saingy mila volonté politique ny fanantontosana azy, fa tsy vitan’ny association iray na maromaro. Tsy vola verivery etsy sy eroa toy ny mitranga amin’izao fotoana izao koa, no hanaovana an’ireo projets ireo, fa hisy tamberiny hita mivaingana ho an’ny vahoaka sy ny firenena raha tsara tantana sy tsy misy kolikoly ny vola hanaovana an’izany.