Tontolo iainana – Nitarika ezaka iarovana ny ala honko eto Madagasikara i Etazonia

Aly

Tamin’ity herinandro ity, ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena na USAID, dia nanatevin-daharana ireo tompon’andraiki-panjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa, amin’ny fanatanterahana ny paikady nasiônaly ho amin’ny fiarovana ny ala honko na “mangroves” eto Madagasikara, sy amin’ny fanohanana ny fiveloman’ireo vondrom-piarahamonina manamorona ny ala honko. Notontosaina izany nandritra ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Fiarovana ny Ala Honko, ary nanamarika ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny drafitra nasiônaly izay ahitana torolàlana momba ny asa, loharanon-karena ary fitaovana fitantanana hampiasain’ireo fikambanana miasa manokana momba ny fiarovana ny ala honko eto Madagasikara.

Ny famoahana ity drafitra ity dia nanamarika ihany koa ny paikady sy ny fiarahamiasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, izay notarihan’ny USAID tamin’ny alalan’ny tetikasa Hay Tao nandritra ny efa-taona izay. “Ity paikady vaovao ity dia mamaritra ny toetran’ny fitantanana ny ala honko ary manazava ny maha-zava-dehibe ny fifandraisan’ny tany, ny rano ary ny bibidia mifamatotra sy tsy azo sarahina ao anatin’ny tontolon’ny ala honko, ka hahafahana miantoka fitantanana araka ny tokony ho izy,” hoy i Anna Brenes, Tale Mpisolo Toerana ny Biraon’ny Tontolo Iainana ao amin’ny USAID/Madagasikara, nandritra ny lanonana fankalazana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. “Zava-dehibe ny hanohizana ny fiarovana, ny famerenana ary ny fampitomboana ny tombotsoan’ny ala honko ho an’ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka sy i Madagasikara amin’ny ankapobeny”.

391.000 ha

Nandray anjara tamin’izany ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana; ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy; ary ny Jono sy ny Toekarena Manga, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka hafa toy ny ONG, mpikaroka avy any amin’ny Oniversite ary mpisehatra amin’ny sehatra tsy miankina. Ireo mpandray anjara ireo no namolavola ny paikadin’ny fitantanana ny ala honko voalohany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Hatramin’ny taona 2019 dia manodidina ny 391.000 ha ny ala honko eto Madagasikara. Ireo ala honko ireo dia manampy amin’ny fiarovana ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka amin’ny vokatry ny rivodoza, manome toeram-ponenana ho an’ny karazana trondro sy hazandrano maro, manatsara ny fahasalaman’ny jono eo an-toerana, ary mandrindra ny toetr’andro amin’ny fitehirizana “carbone” betsaka. Ny fitantanana mahomby ny ala honko dia tena ilaina, mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny fivelomana any amin’ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka an-jatony eto Madagasikara.

Ankoatran’ny ezaka natao tamin’ny alalan’ny tetikasa USAID Hay Tao, ny governemanta amerikana dia manohana ihany koa ny famerenana amin’ny laoniny ny ala honko any amin’ny faritr’i Menabe amin’ny alalan’ny tetikasa USAID Mikajy. Ireo ezaka ireo dia manohana ny fananganana faritra an-dranomasina tantanan’ny mponina amin’ny alalan’ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony miaro sy mamerina ny ala honko. Natao koa izany mba hampihenana ny fomba fanjonoana manimba ny tontolo an-dranomasina, ary hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fandriampahalemana eo anivon’ny fiarahamonina amorontsiraka.

Harena voajanahary sarobidy

Miara-miasa toy ny mpirahalahy mianala ny Governemantan’i Etazonia sy ny Governemantan’i Madagasikara mba hiarovana ny zavamananaina tsy manam-paharoa sy ny harena voajanahary sarobidy eto amin’ny firenena. Nanomboka tamin’ny 2013, namatsy vola maherin’ny 60 tapitrisa dolara i Etazonia, mba hampiroboroboana ny fampandrosoana lovainjafy, hanatsarana ny fiveloman’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, hanamafisana ny fitantanana ny harena voajanahary sy ny fampitsaharana ny fanondranana biby an-tsokosoko, ary koa hiarovana velarantany amina hekitara an’arivony amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna.