EDITO 2 Aogositra – Mizara karatra hatrany ny fitondrana Rajoelina

Ny Valosoa

Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina hoy ny oha-pitenenan’ny tanora ankehitriny, rehefa hiresaka hevitra diso fiantefa sy vahaolana tsy mitombina ireo tanora ireo. Dia tena izay fomba fijerin’ny tanora izay, no amaritana ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny, satria hafa ny fisehon’ny olana, fa vahaolana tsy mandeha amin’ny laoniny no ataon’ny mpitondra.

Miakatra ny vidin’ny solika, mifantoka amin’ny resaka saran-dalana ny adihevitra tokony handeha, f’Ingahy Rajoelina mizara karatany any Mandoto, sady ny tena mampiomehy, ny fizarana karatany dia tokony ho vitan’ny Ben’ny tanàna eny anivon’ny kaomina, satria ny (Bif) na Birao Ifotony amin’ny Fananantany no misahana ny fanomezana ny karatany.

Raha tsiahivina ny tantara dia tamin’ny fitondran’ny Filoha Ravalomanana no nanomboka nisy ny Bif, saingy tsy nisalovana ny andraikitry ny hafa ny Filoha Ravalomanana, fa namela malalaka izay tandrify ny asa hanao ny azy.

Mitranga indray olana momba ny fividianana lavanila, dia karatra biômetrika no zarain’Ingahy Filoha, hanariana dia ireo tantsaha, tsy ahatsiaro ny vavabe natao izay nampanantena, fa hiakatra avo telo heny hono ny vidin’ny lavanila raha izy Rajoelina no lany filohampirenena, kanefa ankehitriny mbola latsaka lavitra be ny ampahatelon’ny vidiny teo aloha ny vidin’ny lavanila amin’izao fotoana izao.

Mafana ny adihevitra mikasika ny tokony hanaovana ny fikaonandohampirenena, matahotra ny hifanena amin’ny mpanohitra ny fitondrana, ka asa na karatra momba ny inona indray, no ho zarain’Ingahy Filoha hamiliviliana ny resaka, satria ny mizara karatra ihany, izay no tena manavanana azy. Ny mizara katra ihany koa raha ny tena dikany ho an’ny tanora dia tsy izy intsony, na torana ihany koa,…